Hita faty nobiridina tany an-tanimbary tany Ambohimahasoa omaly maraina tamin’ny 6 ora maraina ny vatana mangatsiakan’ny zazavavy kely vao enin-taona monja. Maty nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana, naholana ary notsimondrin’ireo olon-dratsy tamin’ny antsy izy io. Tsy hita tao am-pandriana niaraka tamin’ny mpiray tampoho taminy izy afakomaly tamin’ny 11 ora alina. Fotoana tsy naha tao an-trano ny rainy izay mbola namita asa aman-draharaha tao amin’ny trano fisakafoana iray tao amin’ny nipetrahan’izy ireo io ihany.
Niara-natory tao amin’ny hefitra iray niaraka tamin’ny mpiray tampoho (efatra mianadahy) taminy izy tamin’io fotoana io. Tsy tao an-trano fa nandeha niasa ny rain’ireto zaza ireto, izay miasa kilasy mandry tao amin’ny trano fisakafoana iray, trano natorian’izy ireo ihany. Nisy olona niditra tao an-tranon’ireo zaza natory ireo ary nobatain’ireo olon-dratsy tamin’izany io zazavavy kely enin-taona io. Nentin’izy ireo tany an-tanimbary sy anaty lakandrano ilay zaza ary nanamparan’izy ireo ny filan-dratsiny. Naholany ary notsatotsatohan’izy ireo tamin’ny antsy ny vatany rehetra sy ny lohany ary ny fivaviany ka potika tanteraka.
Tsy nahita ilay zaza ny rainy rehefa nody
Nody tany an-trano ilay raim-pianakaviana rehefa nahavita ny asa aman-draharaha nataony tamin’ny 11 ora alina. Taitra sy gaga anefa izy rehefa tsy nahita ilay zanany vavikely niara-natory tamin’ireo mpiray tampoho aminy. Nikoropaka nitady ilay zaza avy hatrany izy, nanaitra ny mpiray monina sy ny fokonolona. Ny maraina vao hita tany an-tanimbary ny fatin’ity zazavavy kely ity vao hita. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy ny avy amin’ny mpitandro filaminana sy ny mpitsabo nanao ny fizahana ny razana. Efa mikaroka ny olona nahavanon-doza ny mpitandro filaminana any an-toerana ary andrasana ny tohin’ny raharaha. Marihina fa 11 taona ny zokiny indrindra tamin’ireo zaza efatra mianadahy ireo, telo taona kosa ny zandriny indrindra.
Mino




