Hotanterahina ny alarobia 9 avrily izao, ny “Festival rugby scolaire”. Hatao ao amin’ny Kianja monisipaly Arivonimamo ka sekoly enina no handray anjara amin’izany. Telo avy amin’ny CEG dia Antaboka, Abdon Andriamirado ary Mangatany. Telo lisea dia Johson sy Imerintsiatosika ary Arivonimamo. Fifaninanana tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny Rugby Afrique izy ity.
Hampiantrano fanintelony ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy N1A, taranja basikety faritra afovoany, ny ligin’i Vakinankaratra. Hotanterahina ny 26 avrily ka hatramin’ny 4 mey ho avy izao izany. Ekipa enina avy eo amin’ny lehilahy sy vehivavy no hiady lohany amin’ity.
Niampy telo indray ny fifaninanana amin’ny hazakazaka fiarakodia lalaovina amin’ny solosaina ho an’ity taom-pilalaovana 2025 ity. Nampidirina ao anatin’ny taom-pilalaovana e-sport 2025, ny Asseto Corsa Competizione – GT3. Eo koa ny Asseto Corsa – Clio Cup ary ny EA WRC.
Hatao eto Antananarivo, ny 20 avrily ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny hazakazaka lavitra ezaka “semi-marathon”. Natokana ho an’ny sokajy Senior lahy sy vavy. Io no fifaninanam-pirenena faharoa ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny Federasionina malagasy “FMA” amin’ity taona 2025 ity.




