FANTINA sy FINTINA

Efa navoakan’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana ny fampahafantarana ho an’ireo maniry ho mpikambana eo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena momba ny zon’olombelona na CNIDH. Hotan­te­rahina ny 15 mey izao, eny Faravohitra, ny fifidianana ny ho solontenan’ny fiarahamonimpirenena ho mpikamban’ny CNIDH.

Nosalorana samboady ny zoma teo ireo ben’ ny Tanàna miisa 25 mianadahy ao amin’ny distrikan’i Manjakandriana. Niatrika izany tany an-toerana ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard. Nambarany fa tokony hialana ny toe-tsaina ory hava-manana sy ny fialonana. “Ilaina ny fiaraha-mien­tana”, hoy izy.

Ben’ny Tanàna Tim voafidy tamin’ny fifidia­nana ao amin’ny kaominina Ifanadina, i Maria Lanto. Nosalorana samboady ny herinandro teo tao Mananjary ny tenany. Faly sy ravo ireo vahoaka any an-toerana. Nanambara ny mpitarika ny Tim ao Mananjary, i San­dros, fa velona sy miaina izany antoko izany.

Manohana tanteraka ny fandraisana ny fivorian’ny COI ny Vondrona Axian. Notanterahina ny zoma teo, tetsy Anosy, ny fiaraha-miasan’izy ireo amin’ ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny. Anisan’ny hanohanan’izy ireo ny momba ny fametrahana fitaovana eny amin’ny CCI Ivato, toy ny “Connexion internet haut débit”, ny famatsiana solika…

Partager sur: