Naneho ny heviny ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny, manoloana ny hetsika niseho tany Toliara. ” Natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany fa tsy handratra sy hamono vahoaka ny mpitandro filaminana. Manameloka ny herisetra niteraka faharatrana ho an’ireo nitaky ny zony izahay”, hoy izy. Nitsidika ireo naratra ireo depioten’ny Firaisankina tamin’izany.
Nihazo ny tany Frantsa ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, ny faran’ny herinandro teo. Anisan’ireo niatrika ny fotoam-pivavahana tao aminy Fjkm Ziona vaovao ao Paris ny tenany, tamin’izany. Nohararaotin’ireo Malagasy mpino kristianina any an-toerana ny fihaonana taminy amin’izao fivahinianany any Frantsa izao.
Nosalorana samboady ireo ben’ny Tanàna miisa 39 any amin’ny faritra Betsiboka, ny herinandro teo. Nambaran’ireo nandaha-teny, tamin’izany, fa adidy masina sy makadiry ny fampandrosoana ny kaominina misy azy ireo. Nosalorana samboady koa ireo ben’ny Tanàna any amin’ny faritra Analanjirofo, ahitana an’i Fenerive Est- Soanierana Ivongo – Vavatenina.
Hanamarika ny faha-45 taonany ny Mafami Fianarantsoa. Noraisin’ny filohan’ny Antenimierandoholona, Ravalomanana Richard, tetsy Anosy izy ireo, omaly. Nangataka taminy ireo mpianatra mba hiahy izany lanonana izany, ny 3 mey izao. Nangatahan’izy ireo koa ny hizaran’ny filohan’ity Andrimpanjakana ity ny traikefany.




