Tsy tana ny ain’ny renim-pianakaviana iray voan’ny bala teny Andavamamba, afakomaly hariva. Hamonjy fodiana izy kanjo lasibatra tampoka tamin’ny tifitra nataon’ny jiolahy.
Voan’ny bala teo amin’ny kibony, taorian’ny asan-jiolahy tetsy Andavamamba ny renim-pianakaviana iray, afakomaly hariva. «Nahatsiaro tena kely izy tamin’ny 8 ora alina. Tsy tana anefa ny ainy tamin’ny 10 ora, ny alin’io ihany», hoy ny rahavaviny, Rakotonanahary Hanitra. «Mpiasa amin’ny orinasa afakaba izy ary hamonjy fodiana toy ny olon-drehetra», hoy ny fanazavan’ny namany sady mpiray vodirindrina aminy, Rasoarivoniony Sarindra. Niala avy any amin’ny toeram-piasany eny Tanjombato, hamonjy ny tokantrano eny Ampasika io ramatoa voatifitra tsy nahy io. «Tsy mpanam-bolabe izy, olona mba mikarama sy manao izay namelomany ireo zanany telo mianadahy», araka ny fanazavan’ny akaiky azy. Taorian’ny poa-basy teny Andavamamba, ny harivan’ny alakamisy, lasibatra io ramatoa 43 taona io. «Nentina namonjy hopitaly izy saingy tsy tana ny ainy», hoy ny loharanom-baovao.
Cash point
Araka ny loharanom-baovao, jiolahy efa-dahy nirongo fitaovam-piadiana nikasa handroba mpanao Cash point teny Andavamamba, ny harivan’ny alakamisy 20 aogositra teo. Narahin’ireo olon-dratsy avy aoriana ilay vehivavy mpiasa amin’ny kioska. «Nipoaka tampoka ny basy ka samy taitra izahay mponina manodidina», hoy ny nanatri-maso. «Nolavahan’ny bala ilay ramatoa mpanao Cash point sady niezaka nihazona ny sakoasy nisy ny vola», hoy ny fanazavana. Tsy namelan’ireo jiolahy ka lasany ny vola. Nitarika tamin’n fahafatesan’ilay renim-pianakaviana mpiasa tamin’ny orinasa afakaba teo akaiky izay nifatraran’ny bala io tranga io. Vavy tokana sy roa lahy ny zanak’ity farany. «Vao avy nanala bakalorea tamin’ny taom-pianarana lasa teo ny iray», hoy ny havany.
Tsiferana R.




