Mbola tsy mifarana ny fotoana fambolen-kazo eto Madagasikara na dia efa nanomboka tamin’ny volana desambra, taona 2024, aza izany ho an’ny eto amin’ny Nosy. Efa maro ireo fikambanana sy olom-pirenena ary tomponandraikitra eto amin’ny firenena nahavita ny adidiny mahakasika izany. Anisan’ny nanatanteraka izany ny teo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Nosafidin’izy ireo manokana ny hanatanteraka izany eto amin’ny tanàn-dehibe.
Maro ny tombontsoa azo avy amin’ny fambolen-kazo amin’ny tanàn-dehibe, raha ny fanazavana voaray. Maloto ny rivotra eto noho ny fahamaroan’ny fiara sy moto mifamezivezy. “Tsara foana raha misy fambolen-kazo an-tanàn-dehibe tahaka izao mba hanadio ny rivotra iainana. Faharoa, ravaky ny tanàna ihany koa ireo zavamaniry manemitra ny lalana”, hoy Lovanirina Vololoniaina, talem-paritry ny Tontolo iainana sy fandrosoana lovainjafy Analamanga. Nambarany fa mahafinaritra ny miaina ao anatin’ny tanàna voaravaka sy feno tontolo maitso. Ilaina foana ny mamboly hazo satria mitondra vokatsoa maro amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona sy ny zavamananaina izany. “Iriana ny mba hahaizan’ny tsirairay mikojakoja ireny zavamaniry ireny”, hoy ity tomponandraikitra iray ity. Nohamafisiny fa navitrika ny olom-pirenena tamin’ny fanatanterahana ny fambolen-kazo na dia somary tarakely aza ny filatsahan’ny orana teto amin’ny Nosy.
“Ho fanatrarana ny tanjona napetraky ny filoham-pirenena rehetra nandalo teo sy ny ankehitriny, fiarovana ny tontolo iainana ary hiadiana amin’ny fivadibadihan’ny toetr’andro ny vokatsoa amin’ny fambolen-kazo”, hoy Rakotondrabe Haingonirina, Tale misahana ny fanajariana an-tanàn-dehibe eo anivon’ny CUA. Eo ihany koa ny fanatsarana ny tanàna sy ny fanamaitsoana ny tontolo rehetra. “Adinon’ny olona ny Sehatra maitso rehefa mihamaro ny tanàna miorina ho an’ny eto Antananarivo sy amin’ny tanàn-dehibe hafa”, hoy hatrany izy. Nambarany fa miezaka hanisy sy hamelona ny tontolo maitso eto an-drenivohitra ny eo anivon’ny kaominina. Ezahina ny hanamaitsoana ny tontolo satria efa maro loatra ny singa manimba ny tontolo iainana amin’izao fotoana. Ny fahatsapana izany no nahatonga azy ireo nisafidy ny hamboly hazo eto Antananarivo.
Fanaraha-maso sy fikojakojana ny hazo novolena
Tsy mahomby ny ankamaroan’ny fambolen-kazo eto Madagasikara, amin’ny ankapobeny, raha ny fanadihadiana natao. Maro ny antony mahatonga izany. « Voalohany, tsy mipetraka tsara araka ny tokony ho izy ny fotoam-pambolen-kazo eto Madagasikara. Eo ihany koa ny fambolena tsy manaraka ny tekinika, izay anisan’ny antony tsy mampahomby ny fambolena », hoy Rahazatovo Andry, tomponandraikitra eo anivon’ny ONG Graine de Vie. Nilaza izy fa lasa toy ny fitsangantsangana fotsiny ihany ny fotoana hanaovan’ny olona ny fambolen-kazo. Anisan’ny tsy mampahomby ny fambolen-kazo eto amin’ny Nosy ihany koa ny doro tanety ataon’ny olona. Manampy izany ny tsy fahampian’ny fanaraha-maso sy ny fandraisan’andraikitra aorian’ny fambolena mandritra ny taona. Ilaina ny fambolen-kazo ho an’ny mponina rehetra, ary tokony hanao izany na ny olona tsirairay avy ary. Tsy vitan’ny mamboly fotsiny anefa fa miantoka ny fahaveloman’ireo zana-kazo amin’ny alalan’ny fanaraha-maso sy fanentanana ny mponina hikolokolo izany ny tena tsara indrindra. Ankoatra izay, ilaina koa ny fanentanana sy fanabeazana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Mampirisika ny rehetra, indrindra ny tanora, mba ho tompon’andraikitra amin’ny fiarovana ny harena voajanahary hatrany ity fikambanana iray ity.
Marihina fa nanomboka ny alatsinainy 16 desambra 2024 lasa teo ny taom-pambolen-kazo ho an’ny taona 2024-2025 teto amin’ny Nosy. Nanombohana izany ny teny Andekaleka izay notarihin’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry. Voalaza tamin’izany, fa velaran-tany mirefy 75 000ha no vinavinaina ho rakofana ala mandritra ity taona fambolen-kazo ity.
Hanamaitso ny tanànan’Antananarivo ny CUA
Nanatanteraka fambolen-kazo tetsy Ankerana, ao anatin’ny boriborintany fahadimy, ny mpikambana sy ny mpiasa eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ny faramparan’ny volana marsa teo. “Tanjona ny hametrahana an’Antananarivo ho maitso”, hoy ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Ramanantsoa Harilala. Manodidina ny 600 isa ireo “frêne” sy zana-kazo novolena teny an-toerana. Antony nisafidianana ireo zana-kazo ireo ny hanasiana endrika sy tontolo maitso sy mahafinaritra an-tanàn-dehibe, raha ny nambaran’ny tomponandraikitra. “Natao ny hetsika mba hanehoana fa miray hina, saina ary miara-mientana ny rehetra ahafahana manatratra ny tanjona”, hoy hatrany ny ben’ny Tanàna. “Mba hitovy ny any Chine sy any amin’ny tanàna hafa ivelan’i Madagasikara ny tanànan’Antananarivo amin’ny fambolena sy fandravahana azy zavamaniry”, hoy hatrany izy. Atao isan-taona ny hetsika tahaka izao. Notanterahina tany Ankarahara ny fambolen-kazo tamin’ny herintaona. Nanolotra fitaovana ny masoivohon’i Chine. Nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny masoivohon’ny fanjakana sinoa nahafahana nanao ny hetsika. Ankoatra ny fambolen-kazo, nanolotra fitaovana toy ny borety entin’ny kaominina miasa ihany koa ny masoivohon’i Chine. Mba hahafahana mikarakara ny zaridaina eto amin’ny tanànan’Antananarivo sy entina hanadiovana ny tanàna ihany koa izany. Nambaran’ny ben’ny Tanàna hatrany fa ezaka atao ny hahatonga an’Antananarivo ho lohany amin’ny fanajana ny tontolo iainana.
Nanatontosa : Mino