Olana ara-toekarena maneran-tany: Hanohana an’i Madagasikara hatrany ny ONU

Noraisin’ny filoha Rajoelina Andry, teny Iavoloha, omaly, ny mpandrindra maharitry ny Firenena mikambana, “Coordonnateur résident du système des Nations-Unies – SNU” eto Madagasikara, i Anthony Ngororano. Hohamafisina ny fiaraha-miasan’ny roa tonta.

Nivoitra tamin’ny tafa nifanaovan’ny roa tonta nandritra ny ora iray sy fahefany ny fiaraha-miasan’ny ONU sy i Madagasikara. “Hotohizana ny fanamafisana izany fiaraha-miasa izany. Singanina manokana amin’izany ny fanatanterahana ireo andry telon’ny politika ankapoben’ny fanjakana (PGE)”, hoy i Anthony Ngororano, nitatitra ny fihaonana tamin’ny filoha Rajoelina Andry, taorian’ny dinika. Narahabainy koa ny filoha sy ny governemanta noho ireo asa sy zava-bita amin’ny fitantanana ny firenena. Notsia­hiviny rahateo fa mifanandrify amin’ny PGE ny “Accord-cadre de coopération”, nosoniavin’ny Firenena mikambana sy i Madaga­sikara tamin’ny taona 2024.
Anisan’ny nambaran’ity tomponandraikitry ny ONU ity koa ny momba ny fisintahan’i Etazonia amin’ny famatsiam-bola ireo sehatra maromaro eo anivon’ny ONU. “Ezahana ny handrindrana izany ary tsy manova ireo fandaharanasa efa voafaritra eo amin’ny roa tonta izany”, hoy izy. Imasoana hatrany ny fanohizana ireo ezaka efa natomboka, araka ny nambarany.

Fampiroboroboana ny PMI-PME

Voaresaka koa ny nampiakaran’ny Amerikanina ny haban-tseranana hatrany amin’ny 47% eo amin’ny sehatry ny fanondranana. Notsindriny fa anisan’ny ilaina ny fampiroboroboana ny sehatry ny orinasa madinika sy ny salantsalany, ahafahana miatrika izany.
Tsiahivina fa teratany Rwandais i Anthony Ngororano ary nandray ny asany teto Madagasikara, ny volana marsa teo. Efa nisehatra tamin’ny rafitra hafa teo anivon’ny ONU i Anthony Ngororano. Anisan’izany ny Pnud, ny Fnuap, sy ny ONU-Femme.

Synèse R.

Partager sur: