Randrianirina Jean Ignace : “Tsy voahaja ny fisaraham-pahefana eto Madagasikara”

Aiza ho aiza ny fisaraham-pahefana eto Madagasikara? Maneho ny fijeriny ny filoha mpiara-mitantana eo anivon’ny antoko MFM, Randrianirina Jean Ignace. Dinidinika…

Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny fisaraham-pahefana eto Madagasikara?
Randrianirina Jean Ignace (-): Tsy misy na tsy voahaja… Satria misy, ohatra, ny baiko ataon’ny mpanatanteraka any amin’ny lafiny Fitsarana. Hita taratra izany amin’ny zavatra tokony hatao rehetra. Aza hadinoina fa ny fitantanan-draharaha rehetra, toy ny prefet, sns, ny mpanatanteraka avokoa no manome baiko. Izay te haneho hevitra toy ny solombavambahoaka manana fahefana hanao tatitra
amin’ny vahoaka, ohatra: tsy afa-manao… Raha io “Raharaha Base Toliara” io, ohatra: misy baikon’ny prefet tsy hanome fahazoan-dalana ny mpanohitra ny tetikasa hihetsika. Voasakana ny fahazoana maneho hevitra ao anatin’izay.
* Inona no mety hanarenana an’izay?
– Ny fametrahana ny fahaleovantenan’ny faritra aloha… Mipetraka mazava ny fahefan’ny Faritra tsirairay amin’ny fitsinjaram-pahefana. Amin’izay fotoana izay, tsy ny fanjakana foibe no lasa manome baiko izay tokony hatao rehetra. Tokony hanana fahaleovantena ara-toekarena ny Faritra tsirairay. Tsy voahaja izay hatramin’izay. Tsy maintsy fidiana, ohatra, ny lehiben’ny Faritra. Tokony hapetraka aloha izay: ny fahefan’ny Faritra izany, fa tsy voahaja ny fisaraham-pahefana amin’ny rafitra isan’ambaratonga.
Misy tokony hahitsy koa ny lalàna eto amintsika ny amin’izay fisaraham-pahefana izay, fa katsohin’ny Antenimierampirenena, ohatra, ny fampiakaran-draharaha amin’ny Fitsarana avo ireo tomponandriki-panjakana ambony tokony hotsaraina. Lasa maka ny fahefan’ny mpitsara ny mpanao lalàna. Tokony hojerena izay, fa lasa tsy voatsara izay nanao fahadisoana goavana eto amin’ny firenena. Satria voasakan’ny maro anisan’ny fitondram-panjakana eny amin’ny Antenimierampirenena. Dia tsy mahazo toky intsony amin’ny zava-misy ny vahoaka. Tsy misy fahatokisana intsony izany, fa tsy voatsara ny fahadisoana lehibe fantatry ny vahoaka.

* Ahoana ny amin’izay hoe lalàna tokony hahitsy izay?
– Ny Lalàmpanorenana no tsy maintsy kitihina. Tsy hahitsihitsy fahatany izay, fa mila dinika hiarahan’ny rehetra: ny ankolafin-kery politika, ny fiarahamonina sivily, ny sendika… Anjaran’ny fitondram-panjakana ny miantso ny antoko politika rehetra handaminana ny tany sy ny fanjakana. Izay no hanitsiana ny Lalàmpanorenana, fa tsy fanitsiana fotsiny amin’izao: te hampitombo ny fe-potoam-piasana, ohatra. Tsy azo kitihina ny fe-potoam-piasana, araka ny And. 163. Na izany aza, tokony hahitsy sy hamboarina ny Lalàmpanorenana.

Nangonin’i R. Nd.

Partager sur: