Behoririka : Lahiantitra mpangataka, hita faty

Raim-pianakaviana iray tokony ho 70 taona hita faty tetsy amin’ny tohatohabato Behoririka mihazo an’Ankadifotsy, omaly atoandro. Tsikaritry ny olona hafahafa ny vatany tamin’io fotoana io. Tsy tafahetsika firy intsony, ary niafara tamin’izao fahaverezan’ny ainy izao. Raha ny fantatra, mpangataka eny amin’ny sisin-dalana eny an-toerana izy io, raha ny fanazavan’ny mponina eny an-toerana. Mipetraka sy mandehandeha eny amin’ny sisin-dalana eny foana izy io, isan’andro. Heverina ho hanoanana sy harerahana ny mety ho antony nahatonga ny fahafatesany, hoy ny fanazavan’ireo olona teny amin’ny manodidina. Efa ela no nahatsikaritra azy io ho tena reraka ny olona teny amin’ny manodidina. Mividy sakafo hohanina ihany izy io rehefa mahazo vola. “Tato anatin’ny andro vitsivitsy, efa hita fa tena reraka sy nihanalemy sy tsy dia afa-nihetsika firy intsony io rangahy io”, hoy hatrany ireo olona. Efa tonga teny an-toerana naka ny razana ny avy amin’ny BMH. Efa fantatra kosa ny fianakaviany, omaly ihany.

Mino

Partager sur: