Natolotra ny fampanoavana omaly, teny Anosy, ireo sivy mianadahy ahina ho mpamono olona. Nitaky vola 10 tapitrisa Ar ny olon-dratsy saingy razana sisa nosokirin’ny fianakaviana tanaty lavaka.
Notanana vonjimaika, omaly, ao Tsiafahy, ny fito raha toa ka ao amin’ny fonjan’Antanimora, ny roa tamin’ireo voarohirohy ho namono olona tao Tsiroanomandidy. Nanao izay ho afany amin’ny fampanarahan-dalàna manoloana io tranga saika niteraka savorovoro io, ny mpitandro filaminana. Tsy hita nanomboka ny 28 marsa io lehilahy 22 taona io rehefa nitsidika ny sakaizany tao amin’ny fokontany Avaratsena. Nantsoin’ny olon-tsy fantatra tamin’ny finday ny renin’io tovolahy io, tamin’ny andro tsy nahitana azy. Nitady vola 10 tapitrisa Ar ho solon’ny ain-janak’io ramatoa io ireo tsy valahara. Nitory teny amin’ny zandary sy polisy, noho izany, ny havany. Nanao fikarohana ireto farany ka voasambotra ny olona iray ahina ho nahavanon-doza. Niaiky heloka, nitoroka ny toerana nanafenan’izy ireo ilay lehilahy io voasambotra io. Hita faty tao Amparihivato, fokontany Anosivola, Tsiroanomandidy ilay lasibatra. Nasitrik’ireo mpaka an-keriny tao anaty lavaka mirefy 6 metatra ny fatiny. Simba tanteraka ny vatan’ilay lehilahy ka ny akanjo teny an-kodiny no hany sisa namantaran’ny fianakaviany azy.
Vehivavy roa voasaringotra
Saika nivadika savorovoro ny fahafantaran’ny fokonolona ireo tompon’atoka tamin’ny famonoana io lehilahy io. Nangataka ny hamoahana ireo voarohirohy ireo hanaovana fitsaram-bahoaka izy ireo, ny alin’ny alarobia 9 avrily teo. Tetsy ankilany, nifehy ny zava-nisy ny mpitandro filaminana sady nanohy ny asa fikarohana ireo nanao ny fakana an-keriny. Vokany, olona sivy mianadahy niara-nosamborina. Vehivavy ny roa tamin’izy ireo. Ho fiarovana ny ainy sy ho fampanarahan-dalàna, nakarina avy hatrany aty an-dRenivohitra izy sivy mianadahy ireo. Natolotra ny fampanoavana ka notanana vonjimaika any am-ponja miandry ny fotoam-pitsarana azy ireto farany.
Tsiferana R.