Maty teo am-pilalaovana daomy ny raim-pianakaviana iray, omaly hariva, teny 67 ha Avaratra Atsinanana. Haka rivotra no nivoahany ny trano kanefa vatana mangatsiaka no niverina tamin’ny fianakaviana.
Namoy ny ainy teo am-piarahana tamin’ny namany nilalao daomy ny raim-pianakaviana iray, omaly. Teny amin’ny fokontany 67 ha Avaratra Atsinanana no nitrangan’izany, tokony ho
tamin’ny 4 ora sy sasany hariva. Lehilahy lehibe tokony ho 60 taona eo ity niharam-pahavoazana ity.
Olona teny amin’ny manodidina azy no nahatsikaritra ny tsy fisian’ny aina intsony. Niantso sy nampandre ny tomponandraikitry ny fokontany avy hatrany izy ireo. Nataon’ny mponina ny fizahana azy, izay efa tsy nihetsika intsony. Olona efa tapitra aina no novantanin’ny sefo fokontany teny an-toerana.
Nitondra mpitsabo nijery ilay lehilahy ny mpiara-monina sy ny manampahefana teny an-toerana kanefa tsy avotra intsony ny ainy. Naka ny razana teny an-toerana ny avy amin’ny BMH taorian’ny antso nataon’ny tomponandraikitra. Nalefa eny anivon’ny tranom-patin’ny HJRA ny razana, omaly hariva ihany. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana ny solontenan’ny avy amin’ny polisim-pirenena.
Haka rivotra
Raha ny fanazavana voaray avy amin’ny sefo fokontany eny an-toerana, olona mipetraka ao amin’ny fari-piadidiany ity namoy ny ainy. Vao avy narary izy io. Nangataka tamin’ny fianakaviany mba handeha hivoaka, haka rivotra any ivelan’ny trano izy, omaly atoandro. “Nisy olona mpilalao daomy teo ivelan’ny trano ary nijanona niaraka tamin’ireo olona ireo teo izy io. Teo am-pilalaovana daomy izy io no nitambotsotra. Tampoka, olona efa tsy nihetsika intsony teo am-pipetrahana no hitan’ny olona.”, hoy hatrany ny fanazavana, nandritra ny fanadihadiana natao teny an-
toerana.
Tsiahivina, vao nahitana raim-pianakaviana namoy ny ainy tetsy amin’ny tohatohabato Behoririka mihazo an’Ankadifotsy, afakomaly atoandro. Heverina ho hanoanana no antony nahatonga ny fahafatesany. Fantatra fa mpangataka eny amin’ny sisin-dalana izy io.
Mino