Axian Telecom : 100 tapitrisa dolara hanitarana ny tambajotra

Hanitatra sady hampiakatra ny tanjaky ny tambajotra 4G eto Madagasikara sy Tanzania ary hanohy ny fametrahana ny 5G ny orinasa Axian Telecom. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Global Gateway an’ny Vondrona eoropeanina ity hetsika ity, ka mitentina 100 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola avy amin’ny Banky eoropanina ho an’ny fampiasam-bola (BEI). Amin’ny alalan’ny marika Yas no hanatanterahana azy, ka eto Madagasikara ny 40 tapitrisa dolara raha 60 tapitrisa dolara any Tanzania.
Nambaran’ny tale jeneralin’ny Axian Telecom, Hassan jaber, fa “hampiroboroboana ny fotodrafitrasan’ny finday ity famatsiam-bola ity. Hampiakatra ny fitomboan-karena sosialy sy toekarena, ahafahan’ny rehetra mampiasa ny niomerika”. Nanamafy ny filoha lefitry ny BEI, Ambroise Fayotte, «fa endriky ny fanohanan’ny BEI ny besinimaro hisian’ny fampandrosoana maharitra (ODD) napetraky ny ONU izao. Hitondra fivoarana mba hisian’ny fifandraisan-davitra avo lenta takatry ny rehetra».
Ho an’i Laurent d’Ersu, lehibe lefitra ao amin’ny masoivohon’ny UE eto amintsika, «endriky ny fahavononana hampandroso maharitra an’i Madagasikara ity tohana amin’ny alalan’ny BEI ity, na dia misy aza ny fahasahiranana ankehitriny».

Njaka A.

Partager sur: