Award nPerf 2025 : Azon’ny Yas Madagasi- kara ny amboara

Maherin’ny 800 tapitrisa euros ny fampiasam-bola efa nataon’ny orinasa Yas. Nahazoam-bokatra ny ezaka natao, ka azony ny loka fankasitrahana iraisam-pirenena « Award nPerf 2025 ». Nilaza ny tale jeneraly ny Yas Madagasikara, Benoît Janin, ny zoma teo, fa noho ny toky natao hanomezana tolotra tsara indrindra ny mpanjifa no nahazoana ity fankasitrahana ity. Vokatry ny fampiasam-bola natao nandritra ny taona maro. Maneho ny vina natao ny nahazoana ity amboara ity, tamin’ny fampiasana ny teknolojia avo lenta ho fanoitra hitondra fivoarana sy fampandrosoana ».
Nanao ny fanadihadiana ny nPerf, ny 1 avrily 2024 hatramin’ny 31 marsa 2025. Anisan’izany ny nahitana tanjaka upload maherin’ny 150 Mbps, download mihoatra ny 1,2 Gbps ary ny « latence » latsaky ny 20 ms. Nambaran’ny tale lefitra teknika, Randrianasolo Joël Andrinirina, fa tanteraka ity fahombiazana ity noho ny ezaky ny ekipa teknikan’ny Yas. Tsiahivina fa maherin’ny 1 000 ny toerana nohamafisina ny tanjaka, efa mampiasa ny 4G ny 98%, ary misitraka ny 5G ihany koa ireo renivohi-paritany 6 tanàn-dehibe, Antsirabe, Nosy Be ary Taolagnaro.

Njaka A.

Partager sur: