Fanodinana ny vokatra cacao : Manomboka liana amin’ny fanjifana sokola ny Malagasy

Efa miha liana amin’ny fanjifana sokola ny Malagasy, raha ny zavatra hita sy tsika­ritra nandritra ny Foa­ran’ny sokola tetsy amin’ny Carlton Anosy, ny sabotsy teo. Ani­san’ny sakafo ankafizin’ny besinimaro ny sokola noho ny hamaroan’ny tombontsoa entiny amin’ny vatana sy ny fahasalamana.

Sakafo mitahiry singa maro ilain’ny vatana ny sokola. Sakafo manan-karena « antioxydants » izy io, indrindra ny chocolat noir. Ankoatra izay, manampy betsaka amin’ny fiarovana ny sela ao amin’ny vatana ihany koa. Ahitana ny singa « potassium », « magnésium», « fer » izy. Eo koa ny « flavonoïdes » izay mampitony ny fanain­tainana sy misoroka ny rarin­tsaina. Manampy amin’ny fisorohana amin’ny aretin’ny fo sy ny fahatapahan’ny lalandra. Manatsara ny fikorianan’ny ra sy ny fiasan’ny atidoha koa izy. Manatsara ny fiasan’ny fo sy ny maro hafa.
Nahitana fihenana kely anefa ny fanjifan’ny Malagasy ny vokatra, indrindra amin’izao fotoana fiakaran’ny vidin’ny akora fototra sy ny vokatra vokarina izao, raha ny fanadihadiana natao tamin’ireo mpisehatra. Efa voasokajy ho vokatra avo lenta ny sokola, raha ny fanazavana voaray. “Amin’ny ankapobeny, ireo olona voasokajy ho manan-karena no tena mpanjifa ny vokatra”, hoy i Tsanta, tomponandraikitra ara-barotra eo anivon’ny orinasa iray mise­hatra amin’ny famokarana sokola. Mpanjifa ihany koa ny olona mpitia sokola sy mahafantatra ny maha zava-dehibe ny vokatra vita malagasy.
Samy manana ny vidiny ny vokatra sokola eny an-tsena. Misy ny 12 000 Ariary ny ta­blettes de chocolat milanja 75grama, rehefa eny amin’ny foara. Manodidina ny 10 500 Ariary kosa izany, andavanandro. “Mbola malalaka ny tsenan’ny sokola eto Madagasi­kara fa ny vokatra indray no tsy maharaka”, hoy hatrany izy. Azo atao ny manitatra sy mitrandraka ny hanatsarana ny asa eto amin’ny Nosy. Ma­haritra iray volana ny famitana ny kaomandin’ny mpanjifa. Misy mahatratra hatramin’ny iray volana koa ny famitana izany. Mikaomandy ny hanaovana sokola iray kaontonera ny mpanjifa iray rehefa mahafapo azy ny vokatra vokarina, in­drindra rehefa avy nividy iny.

Miaka-bidy ny vovoka cacao

Miaka-bidy hatrany ny vidin’ny vovoka cacao amin’ izao fotoana izao, raha ny fanadihadiana natao tamin’ny orinasa misehatra amin’ny famokarana sy fanodinana izany. “Nanomboka tamin’ny 15 000 Ariary ny iray kilaon’ny vovoka cacao tamin’ny fotoana nanaovanay io asa io voalohany”, hoy izy ireo. Niakatra tsikelikely izany, ary lasa 18 000 Ar, 20 000 Ar, 45 000 Ariary sy ny maro hafa. Amin’ izao fotoana izao, efa mahatratra hatramin’ny 200 000 Ariary ny iray kilao, raha ny fanazavana voaray. Antony mahatonga izany ny fanafarana sy fitadiavan’ny vahiny ny vo­katra tsara kalitao eto Mada­gasikara, raha ny nambara.
“Mitarika fahasahiranana sy fijaliana ho an’ny Malagasy mpanao asa tanana (artisans) anefa izany zava-misy izany”, hoy i Tsanta, tomponandraikitry ny famokarana eo anivon’ ny orinasa Eká, mpamokatra so. Miezaka anefa izy ireo manao ny vokatra mba ho zakan’ny mpanjifa hatrany. “Tsy tokony ho sakana ny fiakaran’ny vokatra sokola sy ny fiakaran’ny vidin’ny vokatra cacao “, hoy hatrany ireo mpisehatra. Mampitombo ny vola miditra sy mandrisika ny mpan­draharaha hisehatra amin’ny asa famokarana izany, raha ny fanazavana voaray hatrany.
Nisafidy ny haka ny vokatra cacao any amin’ny faritra Ambanja ny ankamaroan’ny mpisehatra sy ny orinasa manodina ny vokatra. Manana ny goût fruité mampiavaka azy ny cacao malagasy any an-toerana, raha ny fanazavana voaray hatrany. Tombony ho an’i Madagasikara ny fana­nana cacao izay miavaka sy tsara kalitao.

Tratra ny tanjona ho an’ny WMG

Tontosa ny sabotsy teo, tetsy amin’ny carlton Anosy, ny « Salon du chocolat et de la gourmandise », andiany faha­fito. Hetsika nokarakarain’ny Wednesday Morning Group (WMG). Nahatratra 30 mahery ireo mpisehatra nampiranty ny vokatra teny an-toerana. “Tratra ny tanjona satria tonga maro namaly ny antso ny mpitsidika sy ny mpanjifa”, hoy ny filohan’ny WMG, i Tsiranana Fiona. Nanodidina ny 2 000 hatramin’ny
3 000 isa teo ireo mpitsidika nandrasana tamin’ny hetsika. Tanjona tamin’izany ny hanaovana fitadiavam-bola ahafa­hana manampy ireo vehivavy sahirana mba hahaleo tena sy hanana ny maha izy azy. Nahitana hetsika samihafa, toy ny fampisehoana ny tontolon’ny sokola, filatroana lamaody miaraka amin’ny sokola, ny fampianarana manao lakozia sy ny maro hafa teny an-toerana. Hetsika fanaon’izy ireo indray mandeha isan-taona izy io.

Anisan’ny firenena mamboly cacao i Madagasikara ary manana vokatra anisan’ny malaza sy tsara kalitao indrindra maneran-tany. Nambarany fa anisan’ny anasongadinana ny vokatra eto amin’ny firenena iny hetsika iny. Manana ny lan­jany eo amin’ny sehatry ny toekaren’i Madagasikara sy ny tsena iraisam-pirenena ny cacao sy ny vokatra azo avy aminy. “Ilaina ny fametrahana drafitra matihanina hitazomana ny vokatra cacao”, hoy ireo mpisehatra.

Nanatontosa : Mino
Sary : Tiana

Partager sur: