Firenena mandray ny 50% ny lavanila malagasy i Etazonia. Manahy amin’ny hoavin’ny fihariana ireo mpisehatra manoloana ny fampakaran’ity firenena ity ny haban-tseranana amin’ireo entana avy aty Madagasikara miditra any an-toerana. Ankehitriny, mitotongana ny vidin’ny lavanila maitso ao amin’ny faritra Sava. « Vidina 10 000Ar ny 1 kilao ary manodidina ny 100 000Ar ny kilao amin’ireo vokatra efa voahodina », hoy ny mpandraharaha iray ao an-toerana. Noho izany, miandry ny vahaolana aroson’ny fitondram-panjakana ireo mpisehatra hanatsarana ny fifanakalozana mba ho tombontsoan’ny rehetra.
Ankilany, mitohy ny fifampiresahan’ny fitondram-panjakana sy ny masoivoho amerikanina na niato 90 andro aza ny fampiharana ny fepetra noraisin’ny filoha Amerikanina Donald Trump. « Mitady vahaolana ny fitondram-panjakana. Hamafisina ny fifanakalozana ara-barotra sy ny fiaraha-miasa amin’ireo firenena efa niara-niasa tamin’i Madagasikara hatrizay », hoy ny tale jeneralin’ny Varotra, eo anivon’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra, Razanakoto Isidore. Hamolavola paikady fohy ezaka sy lavitr’ezaka ihany koa ny fitondram-panjakana hanamafisana ny fiarovana ny toekarena. Handrafitra izany ny fanomezana tantsoroka ny sehatra tsy miankina amin’ny fampitomboana ny tsena, ny fanohanana ny rojom-pihariana ary ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara mba hisarihana ireo mpampiasa vola handraharaha eto amintsika.
Mampanahy
Na izany, mbola mampanahy ny orinasa afakaba malagasy ny zava-misy eo amin’ny fifanakalozana ara-barotra. Misy tamin’ireo orinasa afakaba no efa nampitsahatra ny fanondranana, ao koa ireo miandry ny fampiharana ny didim-panjakana. Ao ireo hampihena ny fanondranana, taorian’ny fanambarana ny hampakarana ny haban-tseranana ho 47% ho an’i Madagasikara. Voadona mafy ny tsena iraisam-pirenena, ho very amina miliara maro i Madagasikara, maro koa ireo very asa ary hitotongana ny toekarem-pirenena raha hihatra ny fepetra napetraky ny filoham-pirenena amerikanina. Tadindomin-doza amin’izao fotoana ny asa manodidina ny 60 000, raha ny filazan’ny filohan’ny vondron’ny orinasa afakaba sy ny mpiara-miombona antoka aminy (GEFP), Béatrice Chan Ching Yiu. Marihina fa misehatra amin’ny famokarana lamba avokoa ny orinasa afakaba miisa 35 amin’ireo 110 miorina eto Madagasikara. Nilaza ny minisitry ny Asa sy ny fampananasa, Razakaboana Hanitra, fa «tsy maintsy hojerena ny momba ireo mpiasa an’alina ahina ho very asa sy ny fomba hanohanana ireo orinasa », nandritra ny fihaonany tamin’ny GEFP, ny herinandro teo. Na izany, miahiahy ny zava-misy maneran-tany ireo orinasa malagasy miisa 53 misitraka ny Agoa.
Fanondranana
Laharana faharoa amin’ireo firenena mpandray entana avy eto Madagasikara i Etazonia. Ny taona 2024, mitotaly 786,6 tapitrisa dolara ny totalim-barotry ny firenena roa tonta. Mitentina 53,4 tapitrisa dolara ny entana nafaran’i Madagasikara avy any Etazonia. Nihena 13,2% izany (8,1 tapitrisa dolara) raha oharina ny tamin’ny taona 2023. Mahatratra 733,2 tapitrisa dolara kosa ny vokatra naondrantsika tany an-toerana. Izany hoe, nahitam-piakarana 1,7% (12 tapitrisa dolara). Tsy nifandanja, araka izany, ny entana nafarana sy ny naondran’ny firenena roa tonta ka niakatra 3,1% ny fatiantoka, izay mitotaly 679,8 tapitrisa dolara.
Marihina fa lohalaharana amin’ireo vokatra aondran’i Madagasikara any amin’ity firenena ity ny sehatry ny lamba, ny lavanila, ny harena an-kibon’ny tany.
Ankilany, nihena 17,2% ireo entana naondran’i Madagasikara, ny taona 2024, raha oharina ny taona 2023 noho ny fitotongan’ny harinkarena faobe, raha ny vokatry ny fanadihadiana nataon’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Nanampy trotraka ny fihenan’ny vola azo tamin’ny fanondranana lavanila, jirofo, nikela sy kobalta ary ireo vokatry ny orinasa afakaba. Nidina 15,4% ny vola azo tamin’ny lavanila noho ny fihenan’ny vidiny ho 74% na niakatra 224,9% aza ny vokatra azo.
Henintsoa