Nisokatra omaly, 14 avrily, hatramin’ny 30 mey ny fifaninanana ho an’ny Loka Pierre Castel 2025. Hiompana amin’ny fanavaozana sy fampiasana ny teknolojia amin’ny sehatry ny fambolena sy fiompiana ny fifaninanana, sady mitsinjo ny tontolo iainana. Natao ho an’ny tanora mpandraharaha, malagasy 18 hatramin’ny 45 taona, mipetraka eto Madagasikara izy ity. Manana orinasa ara-dalàna, efa miasa herintaona fara fahakeliny. Alaina ao amin’ny adiresy internety candidature-prix-pierre-castel.com ny taratasy fandraisana anjara.
Hahazo famatsiam-bola 25 000 euros, miampy tantsoroka sy fanofanana ny mpandresy avy amin’ireo orinasa miisa 7 ao anatin’ny Vondrona Castel. Ahitana ny Castel El Djazaîr (Alzeria), Brakina (Burkina Faso), Boissons du Cameroun (Cameroun), Solibra (Côte d’Ivoire), Bracongo (RD Congo), Brasimba (RD Congo) ary Star Madagasikara. Hifaninana indray izy 7 ka izay voalohany dia hiakatra ho 35 000 euros ny famatsiam-bola ho azony.
Hatao ny 2-13 jona ny sivana, ny 16-24 jona ny fitsidihana eny ifotony. Fitsarana eto an-toerana ny herinandron’ny 30 jona, hisafidianana ny Malagasy mpandresy. Ny herinandron’ny 7 jolay kosa ny hisafidianana ny mpandresy aty Afrika.
Njaka A.