Tahirim-bola ho an’ny lalana: Ifantohana ny teknolojia sy ny fiara elektrika

Mivory eto Antananarivo, omaly, 14 hatramin’ny 16 avrily ny vaomiera momba ny Tahirim-bola ho an’ny lalana na « Fonds routier » (FR) aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika (ASAFG). Ao anatin’izany i Angola, Lesotho, Malawi, Mozambika, Namibia, Zam­bia, Zimbabwe ary Madaga­sikara. Lohahevitra nodinihina ny « ho avin’ny fikojakojana ny lalam-pirenena amin’ny alalan’ny teknolojia vaovao sy ny fiara mandeha amin’ny herinatratra ».

Nilaza ny minisitry ny Asa vaventy (MTP), Rafidison Richard Théodore, fa zava-dehibe tokoa ity lohahevitra ity, satria iaraha-mahalala fa avy amin’ny haba aloan’ny mpampiasa lalana, tataovana amin’ny vidin-tsolika no hakana ny Tahiry ho an’ny lalana. Mety hisy fiantraikany anefa ny fivoaran’ny teknolojia, satria iaraha-mahalala fa tsy mampiasa solika intsony ny fiara elektrika. Koa, tsy maintsy hisy ny fepetra sy vahaolana horaisina manoloana izany. Tsy maintsy miara-miasa ny mpisehatra voakasika rehetra, ka hisy ny fifanakalozana traikefa.
Nambaran’ny minisitra Rafidison Richard fa efa nohavaozina ny fifanarahan’ny fanjakana sy ireo kaompanian-tsolika mahakasika ny fandoavan’ity farany ny FR eto amintsika. Mahatratra 175 miliara Ar ny haba azo avy amin’ny lalana, tamin’ny taona 2024.
Santatra amin’ny fandraisana ny fivorian’ny Sadc amin’ny tapaky ny aogositra 2025 ity natao eto Antananarivo ity.

Njaka A.

Partager sur: