Miisa 960 ny fatana mitsitsy ao anatin’ny tetikasa Magnasoa. Nisitraka izany ny tokantrano 960 any amin’ny kaominina Soanierana Taolagnaro, hampirisihina azy ireo hampiasa ny angovo madio sady tsy handripaka ala intsony. Tanjona ny hizarana fatana miisa 120 000 ao anatin’ity tetikasa ity, any amin’ny faritra Anosy.
Misy ny bokikely manoro ny toerana tsara tsidihina an-tongotra eto Analamanga. Azo jerena ao amin’ny tranohevan’ny ONTM etsy Antaninarenina izany, ahafahana mitsangantsangana ao anaty rivotra madio sy ahitana zavatra mahaliana maro. Ahafantarana ihany koa ny tantaran’ny faritra na ny toerana tsidihina hatramin’izay.
Mirefy 1 ha ny vala tahaka ho fampiofanana ny tantsaha any Antsirabe. Ao anatin’ny ivontoerana Fofifa no ahitana azy, tafiditra ao anatin’ny tetikasa FSRP. Maro ny karazam-boly ao an-toerana, toy ny mangahazo, ny apemba, ny tsaramaso, ny katsaka, ny vary, sns. Kendren’ny tetikasa ny hametrahana azy any amin’ny faritra 12 hiasany.
Mahatratra 8 000 ny zana-kazo voavoly tamina velaran-tany 5 ha tany Androimainty, distrika Vohibato, ny 3 avrily teo. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Tefiala any amin’ny faritra Matsiatra Ambony, entina hanatsarana ny endritanin’i Volanony Matsiatra sy Ranomainty. Mitotaly 30 ha ny tanjon’ny tetikasa hambolena hazo, ao anatin’ny sahandriaka miisa 6.