TSELATRA

Lehilahy tsy salama saina, 30 taona, no matin’ny fitsaram-bahoaka tany amin’ny fokontany Amberobe, kaominina Ambohimiadana, Andramasina, afakomaly tamin’ny 7 ora sy sasany hariva. Hitan’ny olona saika hangalatra vary tao amin’ny tanàn’Ambatonimanana izy io ary nandositra avy hatrany taorian’izay. Novonoin’ny olona izy ary naratra mafy. Tonga nijery ny zava-misy ny zandary avy any an-toerana ary nitondra azy tany amin’ny hopitaly. Tsy tana anefa ny ainy rehefa tonga tany.
Andian-jiolahy miisa enina voasambotry ny zandarimariam-pirenena tao Atsinanantsena, Sabotsy Namehana, afakomaly. Nifanehatra tamin’ny zandary ireto tovolahy teo am-pifohana zava-mahadomelina ireto nandritra ny fisafoana nataon’ny mpitandro filaminana teny an-toerana. Mbola nahatrarana fonosana rongony miisa sivy ihany koa tany amin’izy ireo. Tsy maintsy notanana am-ponjakely izy ireo ary hanaovana fitanana an-tsoratra alohan’ny hanoloranna azy ireo eny anivon’ny fitsarana.
Niakatra fampanoavana omaly ilay lehilahy tratra nihazona rongony tetsy Alasora, rehefa nosamborin’ny polisim-pirenena avy amin’ny STUP. Tratra tao an-tranony ny rongony anaty gony lehibe 11 sy gony kely 51, izay milanja 865 kg. Nahafahana nahazo ny vokatra ny loharanom-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo.

Partager sur: