TSELATRA

Olona roa nitondra moto nikasa handroba mpanao gazety teny Andrianalefy, fokontany Androhibe, Boriborintany faha-V, ny alin’ny talata 15 avrily teo, tamin’ny 8 ora sy 15 minitra. Nanaraka tamin’ny moto ireo olon-dratsy ka voasakana teo amin’ny mangingina ireo lasibatra, izay olona roa. Namoaka antsy ny mpandroba saingy namaly ireo nendahina. Nisy fiara nandalo tampoka ka vaky nandositra tamin’ny moto ireo olon-dratsy.
Rano very tao an’efitra no nitarika tsindron’antsy ka naharatrana mpianatra Ankatso, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nifamaly noho io tranga io ireo roa lahy. Niafara tamin’ny tsatok’antsy izany. Naratra ny iray ary efa nahazo fitsaboana sahaza azy.

Partager sur: