Tsy ao anatin’ny faritra hotrandrahin’ny Base Toliara ny ala ahitana baobab. Nohamafisin’ny minisitry ny Tontolo iainana, Andonirina Max Fontaine, izany, omaly. Nohazavainy fa « any amin’ny Faritra arovana, alan’i Tsimanapetsotsa no ahitana ity hazo ity, izay an-jatony kilometatra, andehanana an-tongotra roa andro any ho any ». Diso, araka izany, ny filazan’ireo manohitra ny tetikasa Base Toliara.
Hanomboka amin’ny zoma 18 avrily izao ny fanavaozana ny fantson-drano eto Antananarivo. Anisan’ny voalaza izany nandritra ny fanokafana ny hetsika Herinandrom-pirenena ho an’ny rano, etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, izay nanomboka omaly 16 avrily hatrami’ny 18 avrily ho avy izao. Lohahevitra noraisina ny hoe: « Omentsika lanja ny tahirin-drano, ho antoky ny fampandrosoana maharitra ».
Noresahin’ny minisitry ny Asa vaventy, Rafidison Richard, omaly, sy ny solontenan’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad) ny fizotry ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena, RN12A (Taolagnaro-Vaingaindrano). Nihaona tamin’ny solontenan’ny Banky arabo ho an’ny fampandrosoana an’i Afrika (Badea) ihany koa ny tenany, mahakasika ny fanadihadiana ny dingana faharoa amin’ny arabe migodana Antananarivo-Toamasina.