TSELATRA

Lehilahy iray tratra nangalatra jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro tetsy Ampefiloha, omaly. Tratran’ny polisim-pirenena nanao fisafoana teny an-toerana tamin’ny 4 ora sy 20 minitra izy io. Nentina avy hatrany teny anivon’ny paositry ny polisy izy nanaovana fanadihadiana. Mbola karohina ny namany hafa manao izao asa ratsy izao.
Naiditra am-ponja eny Tsiafahy ilay lehilahy namono nahafaty ny zana-badiny tany Tsiroanimandidy, ny marain’ny 16 aprily lasa teo. Disadisa nisy teo aminy sy ilay ramatoa renin’ilay zaza no antony namonoany ity ankizilahy kely ity. Nandositra niala an’i Tsiroanomandidy moa izy io rehefa nahavita ny asa ratsiny, voasambotra ihany.
Nahazo sazy mihatra 10 taona an-tranomaizina sy fandoavana lamandy 60 tapitrisa Ariary ny roa tamin’ireo olona tratra tamin’ny raharaha mahakasika ny fanondranana sokatra antsokosoko. Tafiditra ao anatiny ny solombavambahoaka voafidy tany Soavinandriana, Roméo Ra­manatanana. Nahazo sazy mihatra 4 taona an-tranomaizina ary mandoa onitra 2 lavitrisa Ariary kosa ny ambiny.

Partager sur: