Hanamarika ity faran’ny herinandro ity ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina (Aroi), amin’ny taranja rugby, sokajy zandriny (U18). Fifaninanana hatao eto Madagasikara, ka firenena efatra no hiady izay ho lohany amin’izany. Anisan’izany ny Makis.
Hampiantrano ny fiadiana ny ho tompondakan’ny fikambanamben’ny ranomasimbe Indianina (Aroi 2025), taranja rugby lalaovina olona 7, sokajy zandriny U18, lahy sy vavy, ny Malagasy rugby. Hotanterahina etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, rahampitso sy ny alatsinainy 21 avrily izao izany. Hiady lohany amin’izany ireo firenena efatra dia i Madagasikara, mpampiantrano, Mayotte, Maurice ary i La Réunion.
Mifandimby mihaona ny ekipa efatra ny andro voalohany ka hita eo ny filaharana arakaraka ny fandresena azo. Miatrika ny manasa-dalana ny andro faharoa ka ny voalohany midona amin’ny fahefatra ary ny faharoa mifanandrina amin’ny fahatelo. Manao ny famaranana ireo roa ho mpandresy raha miady laharana ny roa resy. Marihina fa ny sokajy U18 ihany no natao tamin’ity satria tsy manana U16 ireo firenena hafa. Nandeha niatrika fifaninanana any France mantsy ny U16 an-dry zareo Renioney sy ny Mahorais. Tsiahivina fa tompondaka tamin’ny taon-dasa, tatsy La Réunion, ny Makis teo amin’ny vehivavy ary i La Réunion ho an’ny lehilahy.
Ankoatra izay, niatrika fiofanana mahakasika ny: «Antidopage » ireo mpilalaon’ny Makis, ny sabotsy 12 avrily lasa teo, notarihin’ny dokotera Felana. Nampianarina azy ireo ny manodidina ireo fanafody mampatanjaka, ny fisorohana izany sy ny fitiliana ireo voakasika sy izay rehetra manodidina izany. Fepetra iray takin’ny World rugby mialoha ny hiatrehana lalao goavana izany.
Tanjona amin’ity Aroi 2025 ity ny fanomanana ireo mpilalao mpandimby ao amin’ny Makis sy ny fifanakalozana traikefa sy ara-kolontsaina ao anatin’ny fanatanjahantena eo amin’ny samy firenena aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina.
Tompondaka