Tafita eo amin’ny dingana ampahefa-dalana, ilay Malagasy mpilalao tenisy, Sarah Rakotomanga. Fifaninanana hiadiana ny « tournoi WTA 250 » atao ao Rouen. Omaly, nifanandrina tamin’ilay Neerlandaise, i Suzan Lamens, laharana faha-69 amin’ny laharan’ny WTA ny tovovavy.
Tsy ao anaty ekipam-pirenena frantsay amin’ny tsipy kanetibe intsony, i Philippe Suchaud. Nosoloina an’i Ligan Doerr ny tenany. Araka izany, i Dylan Rocher sy i Henri Lacroix miampy an’i Jean Feltain sy i Doerr izany no hiatrika ny “Masters 2025”. Ho an’ny Malagasy indray, miandry izay hisolo an’i Racle ny rehetra.
Fanazaran-tena sy fiofanana ho an’ny mpanazatra no namaranana ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Judo, ny 17 avrily lasa teo, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Fifampizarana traikefa no niseho ary nampihombina ny judokas manerana ny Nosy.
Ny sokajy Kids, Women, Men, eo amin’ny sokajy “Jeunes” sy Seniors no hifaninana mandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Muay Thaï. Fifaninanana hotanterahina ny 26 avrily izao, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina.