TSELATRA

Telo lahy tsy ampy taona mpamaky trano voasambotry ny zandarimaria tao Soavina Atsimondrano, Ankorondrano ary 67 Ha, afakomaly alina. Tratra teo am-pamakiana tranon’olona avokoa izy telo ireo. Lehilahy iray hafa tra-tehaka tao Tanjombato nitondra sakaosy nisy fitaovana fampiasany mamaky trano.

Nosamborin’ny zandary ireo mpianaka nampihatra herisetra tamin’ny raim-pianakaviany tao Toamasina, omaly. Matetika rahonan’izy ireo sy voadaroka io lehilahy, izay efa 70 taona io. Niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera ny fihetsika ratsy ataon’io ramatoa vadiny io sy ny zanany lahy ary niafara tamin’ny fisamborana izany.

Jiolahy efa-dahy nandroba vola 1 tapitrisa Ar niampy fitaovan-dakozia, tao amin’ny fokontany Cité Ouvrière, kaominina Antsiranana, ny 13 avrily lasa teo. Nampiasa antsibe ireo tsy valahara ka renim-pianakaviana iray sy ny vadiny voa mafy nandritra ny fanafihana. Manaraka fitsaboana ao amin’ny CHU Tanambao ireo lasibatra.

Miditra hatrany anaty elakelan-trano, manao fisafoana, andro aman’alina ny polisim-pirenena, amin’izao fotoana. Miaro ny vahoaka sy ny fananany, manampy hatrany amin’ny fametrahana fandriampahalemana eny ifotony izy ireo.

Partager sur: