Lalao ara-pirahalahiana: Mety hifampitana amin’ i RD Congo na i Togo ny Barea

Efa fantatra fa hanao lalao ara-pirahalahiana any France, i Madagasikara, ny volana jona io. Araka ny fanadihadiana natao, mety hifanandrina amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo (RDC) sy i Togo, i Madagasikara, mandritra ny « fenêtre Fifa » ho avy io.

Raha ny filazan’ilay loharanom-baovao iray, omaly, mety hanao lalao ara-pirahalahiana amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo (RDC), na ny ekipam-pirenen’i Togo, ny Barea de Madagascar, ny volana jona ho avy izao, any Paris France, raha tsy misy ny fiovana farany. Hatreto, tsy mbola misy ny fanambarana ofisialy ataon’ny Federa­sionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), saingy tsara ny mampahatsiahy fa ny volana jona ho avy izao, no fe-potoana iray hanaovana lalao ara-pirahalahiana ho an’ireo firenena rehetra.
Raha ny fantatra, entina hanomanana ny fifanintsanana «Mondial 2026», izay hatao any Meksika sy i Canada ary i Etazonia, ity lalao ara-pirahalahiana hatao any Frantsa ity. Ny Barea izay mbola azo lazaina fa tsara toerana ihany ao amin’ny vondrona «I» misy azy, mitana ny laharana fahatelo izy ireo, ary manana isa 10.
Samy efa nifandona ta­min’ny ekipa nasionaly malagasy avokoa moa ireo firenena roa ireo. Raha ny fikarohana natao, ny taona 2021 no nifandona farany ny Barea sy i RDC, ary mbola manala vela amin’ny Mala­gasy ny kongoley, izay resin’ny Barea, 1 no ho 0, teo Mahamasina. Ny 2018 teo kosa, ny togoley no nifampitana tamin’ny Barea farany. Nisaraka ady sahala tsy nisy nitoko ny roa tonta.
Ho any Afrika Atsimo ny Barea Chan
Hanao fampivondronana ivelan’i Madagasikara ihany koa ny Barea Chan, ny volana jona ho avy io. Hatreto, tsy mbola misy ny fanambarana ofisialy saingy raha ny siosion-dresaka, hifandona amin’ ny ekipa nasionalin’i Afrika Atsimo, Bafana Bafana, ny Barea. Ny volana mey ho avy io moa, andrasana indray ny fahatongavan’ilay manampahaizana mahakasika ny bozaka avy amin’ny Caf hijery ny Kianja Barea Mahamasina, izay tsy mbola mahazo fankatoavana hatramin’izao.

Fitia Randria

Partager sur: