TSELATRA

Lehilahy iray 42 taona nangalatra fiara tetsy Andrononobe, omaly tamin’ny 4 ora maraina, voasambotra. Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka izy raha tsy tonga haingana ny avy amin’ny polism-pirenena nisambotra azy. Mpanao fantson-drano ary monina eny Ambohitrarahaba ity raim-pianakaviana ity.
Vehivavy iray nitondra moto, maty tsy tra-drano vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy ny sabotsy tamin’ny 9 ora alina teo, tetsy Andavamamba. Moto iray notaingenan’olon-droa no tafatsofoka tao ambanin’ny kamiao iray. Voahitsaky ny kodiarana avy any aoriana ilay vehivavy nitondra ny moto ka maty. Naratra mafy kosa ary nalefa eny anivon’ny hopitaly HJRA ilay lehilahy nentiny.

Partager sur: