Hazakazaka bisikileta: Mpanazatra 14 nahavita fiofanana

Nifarana tamin’ny sabotsy 19 avrily 2025, tetsy Ivandry, ny fampiofanana ireo teknisiana miisa 14 mianadahy, 12 lahy sy roa vavy, izay milofo amin’ny taranja bisikileta. Araka ny fanadihadiana na­tao, haazo ny marim-pahaizana faharoa izay hita fa mendrika tamin’ity fiofanana ity. Raha ny fanazavana azo teny an-toerana, havoakan’ny Fe­derasionina Iraisam-pirenena UCI tsy ho ela izany.
Ampahafantarina ihany fa naharitra enina andro teo ny fampitana fahaizana izay nataon’i Mutel Sacha, ma­nam-pahaizana avy amin’ny federasionina iraisam-pirenena UCI, izay efa niandraikitra fampiofanana maro taty amin’ ny faritr’i Afrika sy tany Eoropa. .
” Efa samy manana ny maha izy azy avy avokoa ireo mpiofana, fa nanampy fotsiny aho. Tanjona ny hitondran’izy ireo ny atleta any amin’ny ambony kokoa no ho ny efa nisy teo aloha. Manentana azy ireo kosa aho, mba hijery akaiky ny fototra, mba hafahan’ny Malagasy manana mpilalao bisikileta avo lenta”, hoy i Mutel Sacha, mpampiofana.
Azo hantenaina, araka izany, fa hiakatra amin’izay ny lentan’ny bisikileta eto Mada­gasikara. Marihina fa ity taranja iray ity, tsy dia ahitana fifanintsanana loatra eto an-toerana ary ankavitsiana ireo Malagasy misongadina amin’ izany.

Fitia Randria

Partager sur: