TSELATRA

Fiara fitateram-bahoaka iray no may kila forehitra, omaly, tokony ho tamin’ny 11ora alina tany Antanandava Bekoratsaka, Distrika Mampikony. “Court-circuit” teo amin’ny motera no nitarika ny afo, raha ny fanazavana voaray. Tsy nisy naratra ireo mpandeha rehetra tao anatin’ny fiara fa niala mialoha rehefa naheno tranga hafahafa.

Voasambotry ny mpitandro filaminana ilay lehilahy mpiandry omby nanolana zazavavy kely 4 taona tany Soanierana Ivongo. Niala-sasatra tao amin’ny fokontany Vatobe, Kaominina Manompana, mpianatra avy amin’ny EPP Vohilava, distrikan’i Soanierana Ivongo ity zazavavy kely lasibatra ity. Nahatsikaritra zavatra hafahafa tamin’ny fandehany ity ny reniny ka nitondra azy tany amin’ny hopitaly.

Partager sur: