Kick – « World games »: Hanomanana fifanina-nana maneran-tany

Manan-danja ny fandaharam-potoana ato ho ato ho an’ny eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny kick-boxing. Taorian’ny fiadiana ny amboaran’ny ranomasimbe Indianina natao andro vitsy lasa izay, nahazo fanasana tamin’ny klioban’ny Guerreros ihany koa izy ireo, handray anjara amin’ilay ady iraisam-pirenena « Lemur Cup » hatao etsy amin’ny Lapan’ny Fana­tanjahantena Mahamasina, ny 17 mey 2025, izy ireo. Aorian’izay, hisy ny fifaninanana “World Games” hatao any Chine, ny volana aogositra izao, izay handraisan’i Nambinin­janahary Moustepha anjara. Ho fanomanana ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany izay hatao any Abu Dhabi, ny volana novambra izao, ireo fifaninanana roa ireo. Mahakasika ny ‘Lemur Cup”, miankina amin’ny sokajin-danja hifaninana fa efa vonona ireo kicker Malagasy, hoy ny Maitre Romuald tetsy amin’ny dojo RKC, ny faran’ny herinandro teo. Ny efa azo antoka, hoy izy dia handray anjara amin’io i Moustepha (-63,5kg). Nam­pahafantarin’i Johariniriana, izay mpitsara sady tomponandraikitra eo anivon’ny klioba Guerreros, fa taranja maro no handray anjara amin’io, toy ny K1, Kick boxing, Pancrace, Jiu-jitsu. Firenena maro koa no ho avy, toa an’i Canada, Maorisy, La Réunion, Afrika atsimo.

Mi.Raz

Partager sur: