Task force: Mampanahy ny fiakaran’ny tahan’ireo olona mitondra VIH/Sida

Mampanahy fatratra ireo Task Force ny hoavin’ny tanora amin’izao fotoana izao noho ny fiakaran’ny tahan’ny olona mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida. Nifam­pi­zara ny vokatra azony nandritra ny fanadihadiana na­taony ireo mpisehatra amin’ny ady amin’ny fiparitahan’ ny tsimokaretina VIH/Sida.

Nanantanteraka atrikasa tetsy amin’ny efitrano fivoriana Streamliner Tanamakoa ny fiandohan’ny volana avrily teo ny Task force rezionaly. Nandray anjara tamin’izany ny ONG miisa efatra : Ainga/ Aides, Reseau Mad/ Aides, ny SycaVi ary ny LGBT+. Mpandray anjara amin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny valanaretina VIH/Sida, sy ireo aretina mifindra amin’ ny aretim-pananahana izy ireo.
Nambaran’izy ireo fa mahamay ity vanim-potoana ity ka antony nahatonga azy ireo namoaka fanairana maha­kasika io aretina io. “Miisa enina karazana be izao ny fisorohana io fiakaran’ny tahan’ny fiparitahan’ny tsimokaretina VIH/ Sida io”, hoy izy ireo. Betsaka ny zavatra tsy ampy ary tsy nitohy efa natao tamin’ny ady teo aloha.

Zava-dehibe ny fanaovana fanairana indrindra manoloana ny tsy fandriampahalemana izay mahazo vahana eto amin’ny firenena. Toy ny fifohana sy fanindronana zava-mahadomelina. Amin’ny ankapobeny, miafina ireo tanora ireo manao izany ka mety ho antony hifindran’ny aretina. Eo koa ny tsy fahafahan’ ireo vahoaka misitraka fiarovana amin’ny fiparitahan’ny aretina. Toy ny fahatapatahan’ny fi­zarana fimailo, indrindra ireo fanafody entina mitsabo sy misoroka ny tsimokaretina. Fahatelo, ny tsy fitohizan’ny depistazy sy fitiliana. Ankoatra izay, ny tsy fahampian’ny fotoana enti-mandrefy ny fi­sorohana sy fiandrasana ny valin’ny fitiliana. Anisan’ny fanairana lehibe ny fanilikili­hana sy fanavakavahana ireo olona mitondra ny tsimokare­tina. Marefo ny eto amintsika amin’ny fanohanana sy fanajana ny zo ho an’ ireo mitondra tsimokaretina ka tsy misitraka ara-dalalana sy araka ny tokony ho izy ny fanaraham-pahasalamany izy ireo.

Tsy ampy ny fanentanana ho fisorohana

Ny fanadihadiana hatrany no nahalalana fa tsy mifanindran-dalana ny ady amin’ny zava-mahadomelina sy fiparitahan’ny tsimokaretina VIH/ Sida. Voalohany amin’izany, ny fampiasana tsindrona izay hanaovan’ ireo zatovo lahy sy vavy tsindrona zava-maha­domelina mahery vaika. Ma­tetika andian-jatovo efa marefo amin’ny zavatra rehetra izy ireny ka lasa mpitsindrona sy mpifoka miafina. Miampitapita amin’ny samy namana maro samihafa ny tsindrona. Noho izany, mora handairan’ny tsimokaretina VIH/ Sida ny olona mandray zava-mahadomelina. Etsy ankilany, lazain’ny fanadihadiana hatrany fa tsy misy intsony ny rafitra hiadiana sy hisorohana ary handraisana an-tanana ny olona mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida. Tsy ampy koa ny fanentanana isam-pokotany ary lasa vidina lafo ny fimailo, raha maimaimpoana izany teo aloha.

Tsy manaraka vanim-potoana

«Efa tsy mifanaraka amin’ny vanim-potoana ankehitriny intsony ny fandrisika na vola entina manao ny asa fanentanana momba ny fahasalamana», hoy ny AC (Agent Communautaire) iray miasa eo anivon’ny CSB2 iray nanaovana fanadihadiana. Tao anatin’ny taona maro, 500 Ar isaky ny iray kilometatra ny saran-dalana omena ireo olona manao ny asa eny ifotony ireo, raha ny fanazavana voaray hatrany. Amin’izao fotoana izao, efa 1 500 Ar ny saran-dalana amin’ ny posy sy Bajaj. Nohamafisin’ ity nijoro vavolombelona ity, fa mahatonga ny firongatry ny fiakaran’ny tahan’ny olona mitondra tsimokaretina VIH/Sida any Toamasina ny fitsoahan’ ireo olona mitondra tsimokaretina any anivon’ny rafi-piaraha-monina. Mitsoaka izy ireo ary lasa manaparitaka izany amin’ ny olon-kafa any amin’ny fiarahamonina hafa.
Nisy raim-pianakaviana iray voan’ny tiberikilaozy iray tany an-toerana. Rehefa noentina natao fitilina tao amin’ny hopitaly izy dia hita fa mitondra tsimokaretina VIH/Sida. Nampaha­fantarina azy am-panajana ny nahazo azy. Rehefa naheno sy nahafantatra izany anefa izy dia lasa nitsoaka ny toeram-pitsabona avy hatrany. Nakany anivon’ny fiarahamonina any izy avy eo ary miaina miaraka amin’ny olona tsy fantany sy tsy mahafantatra ny aretina mahazo azy.

Nanatontosa : Sajo

Partager sur: