Lehilahy roa voarakitra an-tsary nandroba tetsy Isotry, omaly maraina, tamin’ny 3 ora. Nihaodihaody teny amin’ny manodidina io toerana io izy roa lahy. Nesorin’ilay olon-dratsy ny fitaovana maka ny sary izay mirakitra ny zava-misy teo amin’ilay toerana lasibatra. Efa manao ny fikarohana ny polisim-pirenena.
Kamiao mpitatitra solika niharan’ny firehetana tampoka teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, teo Marovoalavo, omaly. Nanao izay ho afany namonoana ny afo ny mpitondra fiara sy mpandalo. Tsy nisy aina nafoy.
Notanana am-ponja vonjimaika, ny talata 22 avrily teo, ilay mpamaky trano saron’ny polisy teny Betongolo. Nitondra fahitalavitra lehibe io olon-dratsy io no nifanehatra tampoka tamin’ny mpitandro filaminana.