Voasambotry ny polisy omaly ny iray tamin’ireo nangalatra « camera de surveillance » teny Isotry, afakomaly maraina. Tratra teny Manarintsoa izy io, taorian’ny fikarohana sy angom-baovao samihafa nataon’ny polisim-pirenena napetraky ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisarian’Isotry. Mbola nahitana « tablette » roa sy finday 10 tany aminy.
Tapa-tanana ny mpamily moto iray tra-doza tao Toamasina Renivohitra, omaly tolakandro. Nifandona tamin’ny kamiao, tafasitrika tao ambany kodiarana ny tanan’io mpitondra moto io. Nahatsiaro tena, nentina namonjy toeram-pitsaboana avy hatrany ilay niharam-doza.
Nisitrika zana-tobim-paritra ny zandriamaria vaovao ny kaominina Manampa sy Andrembesoa, distrikan’i Betafo, omaly. Hisorohana ny tranga tsy fandriampahalemana ao an-toerana izany.
Mpangalatra moto naiditra am-ponja vonjimaika taorian’ny fampanoavana, tao Toamasina, ny alarobia 23 avrily teo. Nandratra tamin’ny alalan’ny fikasihan-tanana ny tompon’ny moto nangalariny io olon-dratsy io.