DAKA AN-JORONY: Aza manao tahaka ny fandraka

Ny vokatra tsy azo, raha tsy misy fikirizana. Na izany aza, mandeha ila tahaka ny tononkira tsy misy feony, ny asa atao raha tsy eo finiavana sy fitiavana. Tsy afa-misaraka ireo fa tsy maintsy miara-dalana hatrany. Koa aza manao tahaka ny fandraka, tsy miasa raha tsy velesina. Amin’ny fanatanjahantena, mila ezaka vao tratra ny tanjona. Tsy mety raha hifanerena ny fanomanana fa atao am-pifaliana sy am-pahazotoana.
Tsy tongatonga ho azy, ireny fahombiazan’ny atleta mitondra avo ny voninahi-pirenena ireny. Nisy fahafohizan-tena sy fandresena ny hakamoana sy ny fakam-panahy samihafa tao. Tsy maintsy miaraka ny finiavana sy ny fitiavana hahatrarana izany. Mandehana àry dieny malaina fa aza manao tahaka ny fandraka, tsy miasa raha tsy velesina.
Raha fitiavana, tsy misy finiavana mivadika fahadisoam-panantenana, raha finiavana tsy miaraka amin’ny fitiavana lasa famoizam-po. Koa aza avela hisaraka fa ampiaraho hatrany. Mety ho sarotra am-boalohany ny fampiarahana izany fa rehefa mitambatra, tsy misy mahasakana ny lalan-kizorana. Tsy mora ny hodiavina, fa mety handalo fotoana mafy, mety hisedra an-kasarotana fa rehefa tsy manao tahaka ny fandraka, velesina vao miasa tafita hatrany ny dia.
Koa herezo ary izany dia fa ny manofa vary manohi-drivotra no manditso-maso ary ny manapa-kazo anaty tanàna no mandrodan-trano koa aza manao tahaka ny fandraka, tsy miasa raha tsy velesina. Be no efa nandalo, maro no efa niserana fa izay maharitra no hibata ny fandresena. Ilaina fitandremana anefa ny fiainana satria ny mitazona ny toerana ambony sarotra satria ny hazo avo halan-drivotra. Koa aza manao tahaka ny fandraka àry ianareo atleta velesina vao miasa.

Tompondaka

Partager sur: