Jiu-jitsu- Open Africa: Nandrombaka medaly volamena 20 i Madagasikara

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany amin’ny nosy Maorisy, ny fifaninanana “Open Africa”, taranja Jiu-jitsu Breziliana. Nandrombaka medaly volamena 20 be izao i Madagasikara.

Namiratra tanteraka ny Malagasy mpikatroka, nisolo tena an’i Mada­gasikara, niatrika ny fifaninanana “Open Africa”, notanterahina tany Maorisy, ny faran’ny herinandro teo. Medaly volamena 20, volafotsy 6 ary alimo 2 no norombahan’ny Malagasy nandritra ity fifaninanana avo lenta ity. Manaporofo ny asa sy ny kotrana ary ny fanomanana matotra nananan’ireto Mala­gasy mpikatroka ireto izao vokatra tena tsara sy mendri-piderana izao. Tsiahivina fa tsy vao izao no namiratra teo amin’ ny sehatra iraisam-pirenena i Madagasikara, teo amin’ny taranja Jiu-jitsu Breziliana fa efa nisy ny “Open Africa” nahazoana medaly maro. Efa nisy ihany koa ny atleta malagasy voahosotra ho tompondaka maneran-tany, tamin’ny taona 2024 izay sambany teo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena malagasy.
Raha hiverenana ny fifaninanana, teo amin’ny Gi no nahazoan’ny Malagasy ny medaly volamena 11 sy volafotsy 5, ny sabotsy 26 avrily lasa teo. Anisan’ny nandrombaka medaly volamena, ny andriambavilanitra, i Nofy Erica, i Lauren, i Mahasoa ary i Itiela, teo ihany koa i Majuel, i Nael, i Nomasy, i Enoka, i Voady, i Michel, i Adriano. Nisy tamin’izy ireo no mbola nahazo izany medaly volamena izany, tamin’ny No Gi, omaly alahady 27 avrily, niampy an’i Chistian, i Tafita, i Djamel, ka mbola niampy medaly volamena 9, volafotsy 1 ary alimo 2 ny azon’ny atleta malagasy tamin’io alahady io. Araka izany, medaly volamena 20, volafotsy 6 ary alimo 2 no norombahan’ny Malagasy mpikatroka ny taranja Jiu-jitsu Breziliana, nandritra ity “Open Africa”, natao tany Maorisy ity. Tsiahivina, mpikatroka 20 mianadahy no nisolo tena an’i Madagasikara tamin’izao fifaninanana izao.

“Grappling Winter Tournament”

Nifanindry an-dalana, tamin’ity “Open Africa” ity ihany koa ny “Grappling Winter Tournament”, nokarakarain’ny JJB Attila, natao teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, omaly alahady 27 avrily. Mpikatroka teratany Renioney 7 no tonga teto an-toerana nifanandrina tamin’ny Malagasy mpikatroka.

Mi.Raz

Partager sur: