Rugby – « XXL Top 12 »: Resin’ny FTM Manjakaray ny Cosfa

Mbola voatazon’ny FTM Manjakaray, ny anaram-boninahitr’i Madagasikara, tamin’ity taom-pilalaovana 2025 ity. Lavon’izy ireo tamin’ny isa, 34 no ho 31, ny Cosfa miaramila, omaly, nandritra ny famaranan’ny XXL Top 12, taranja rugby, natao teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Notolorana lelavola, 10 tapitrisa ariary moa ny mpilalaon’i Manjakaray. Raha hiverenana ny fifanandrinan’ny roa tonta, nanindry amboalohany ny miaramila. Izy ireo no nahatondra baolina nentina betsaka indrindra tamin’ny fizaram-potoana voalohany. Nitarika 31 no ho 18 ry zareo Cosfa, ary io isa io nentina niala sasatra. Taorian’io, taitra tamin’ny torimasony ry Koroka sy lahatra ary Rahery, ka ry zareo indray no nivoaka mpandresy tamin’ny isa, 34 no ho 31. « Teo amin’ny fidirana faharoa, vao voarainay tsara ny fitsipika nomeny ny mpanazatra ary nahazo vokatra tsara izahay. Somary nisy fikorapahana kely izahay teo amin’ny fidirana voalohany », hoy Rahery, mpilalaon’ny FTM. Tsara ny mampatsiahy fa ny FTM Manjakaray, no tompondakan’i Madagasikara ny taona 2024 lasa teo. Mbola ny Cosfa hatrany no tompondaka lefitra. Nahazo 8 tapitrisa Ariary moa ny beboty tamin’ity famaranana ity.

Randria

Partager sur: