Hotanterahina anio, any Maroc, ny ady laharana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja Futsal. Tsy tafita tany amin’ny dingan’ny manasa-dalana ny Barea Ladies. Ny fiadiana ny laharana fahadimy sisa no handrandrain’izy ireo amin’ity. Araka ny fikarohana natao, i Egypte no hifanandrina amin’ny ekipam-pirenena malagasy.
Tsiahivina fa nihazona ny laharana faharoa tao amin’ny vondrona « C », i Madagasikara, ary tsy mbola nahita faharesena mihitsy nandritra ny lalao roa nataony. Marihina ihany koa fa tsy nahazo fandresena ny ekipa nasionaly malagasy fa ady sahala roa no azon’izy ireo. Nanao ady sahala, 5 no ho 5, tamin’i Sénegal ary nisaraka, 4 no ho 4, teo anatrehan’i Tanzania.
Tsy anisan’ireo firenena handrandraina ho any amin’ny “Mondial”, izay tontosaina any Philippines, ny volana novambra ho avy izao intsony izany i Madagasikara.
Ampahafantarina ihany fa tamin’ity taona ity vao nisy fifanintsanana Futsal ho an’ny sokajy vehivavy, teto Afrika. Ny irariana, mba hitohizan’ny tetikasa ary handray ireo lesona sy hanarina ny lesoka ny tomponandraikitra tamin’ity andiany voalohany ity.
F.R