Mozean’ny haino aman-jery : Nahazo arisiva ny minisiteran’ny Serasera

26 taona izao no nisian’ny fahitalavitra Tv Plus Madagascar. Ho fanamarihana izany, nanolotra ireo sanganasa mba ho tahiry sy vakoka ho an’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina ireo tomponandraikitry ny fahitalavitra, oma­ly, tetsy amin’ny Havoria Anosy. Mba ho tahiry sy vakoka amin’ny haino aman-jery sy ny tantaram-pirenena io, izay anjara birikin’ny Tv Plus Madagascar amin’ny fanabeazam-boho ny arsiva ho an’ny taranaka.
Ny Tranombokim-pirenena eto Madagasikara (BNM) no natao hitahiry ny sary sy horonantsary mahakasika ny tantaram-pirenena toa itony. Rakitsary miisa 15 no natolotry ny ekipan’ny Tv Plus Ma­da­gascar, notarihin’ny tale jeneraly Rajaonson Nelly. Nandray izany kosa ny sekretera jeneralin’ny minisitera, Rakotondrasoava Fetra, no­tronin’ireo tale jeneraly. Mirakitra ny tantaran’ny firenena tao anatin’izay 26 taona ireo horonantsary ireo, ankoatra ny lafiny kolontsaina. Anisan’izany, ohatra, ny fanadihadiana lalina iray, mahakasika ny lakandranon’i Pan­galana.
Naneho ny maha zava-dehibe ny tahiry ho an’ny taranaka toy izao ny sekretera jeneralin’ny minisitera. Nam­barany fa zava-dehibe ho an’ny fiarahamonina ny mahalala ireo soatoavina sy ny tantara hahafahana manorina firenena vanona sy mandroso. Porofo velona tsy azo kosehina ny horonantsary tahiry tahaka ireto nomen’ny Tv Plus Madagascar ireto, izay azo hiverenana hatrany hatao fototra azo itokisana.

Zo ny Aina

Partager sur: