Muay Thai-Mada 2025: Niakatra ny haavo teknikan’ny mpikatroka

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny efitranokely, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahama­sina, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Muay Thai, ho an’ny taona 2025. Mpikatroka 120 no tonga namaly ny antso avy amin’ny ligin’i Vakinankaratra, Mahanoro, Atsinanana ary Analamanga. Nambaran’ny filohan’ ny Federasionina malagasin’ny Muay Thai, Rako­toalizao Hainatiana Gervais, fa niakatra ny haavo teknikan’ny mpikatroka tamin’ity fifaninanan-pirenena ity. Nisy rahateo, hoy izy, ny fiofanana nomen’ny Tale Teknika Na­sionaly, Maitre Razanajatovo Gildas, ka tena nampiakatra ny lentan’ny mpikatroka tsirairay izany. Natao izany fiofanana izany, hoy hatrany ny fanazavany, mba hanatsarana ny ara-teknika ary nisy ihany koa ny fanatsarana ny lafiny ara-pitantanana.
Aorian’izao hetsika izao, fifaninanana iraisam-pirenena maro no miandry ny Ma­lagasy mpikatroka ny taranja Muay Thai. Efa nomena teny anivon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena ny fandaharam-potoana rehetra mahakasika izany. Hisy ny « World Champion­ship » izay hatao ny 22 hatramin’ ny 31 mey izao any Turquie. Hisy ihany koa ny « Combat pro » izay hatao any La Réunion ny 14 jona izao. Eo koa ny fifaninanana ho an’ny « Jeunes » any Abu Dhabi, ny 10 hatramin’ny 20 septambra izao. Miantso ary manantena ny fanohanan’ny fanjakana sy izay rehetra malala-tanana ny Federasionina malagasin’ny Muay Thai, amin’ireo fifaninanana hatrehana ireo.

 

Mi.Raz

Partager sur: