SOMBIM-BAOVAO

Voahosotra ho klioba mendrika indrindra, ny Checkmat, nandritra ny fifaninanana « Grappling Winter Tournament », Jiu-jitsu, natao teny amin’ny Lapan’ny fa­na­tanjahantena Mahamasina, ny faran’ny herinandro teo. Nahazo ny « fair-play » kosa, ny Icon JJB avy any La Réunion, izay tonga teto Madagasikara niatrika ity fifaninanana nokarakarain’ny JJB Attila ity.

Hiditra amin’ny andro fahatelo anio, ny fiadiana ny tompondaka nasionaly N1A « zone centre », taranja basikety. Fifaninanana tontosaina any Antsirabe, nanomboka ny sabotsy lasa teo. Lalao anisan’ny niady nandritra izay 2 andro izay, ny fihaonan’ny Ascut Atsinanana sy ny COSPN Analamanga. Nandresy tamin’ ny isa 77 no ho 74 ny Ascut.

Vita tanteraka ny dingana voalohany amin’ny fifanintsanana “World Cola PFL”, taranja baolina kitra. Ny ekipan’ny Mama FC no tafita farany amin’ny “Playoff”. Andrasana kosa ny mety ho tohin’ity fifaninanam-pirenena ity. Tsiahivina fa nahazo ny laharana voalohany nandritra iny fifanintsanana voalohany iny ny Fosa Juniors Boeny.

Tontosa teny amin’ny Kianja Elgeco Plus, By pass, ny tetikasan’ny Fifa “Talent Development Scheme (TDS)”, izay natokana ho an’Antananarivo. Nahatratra 300 mahery teo ireo zatovo tonga nitsapa ny fahaizany teny an-toerana. Tsiahivina fa ankoatra an’Antana­narivo, efa nanaovana ny TDS ihany koa ny tany Mahajanga, Antsirabe, Toliara.

Partager sur: