Nioty vokatra ny ekipa teknika eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny tenisy, tarihin-dRazanamasy Lala, nandritra ny fikarakarana ny “circuit” ho an’ireo kilongalahy sy vavy U10 sy U12 ary U14. Niakatra ny lentan’ireo ankizy mifaninana izay mitombo isa hatrany.
Nifarana ny alahady lasa teo, teny amin’ny kianja Ankatso ny “circuit” taranja tenisy ho an’ny sokajy zandriny U10, U12, U14 lahy sy vavy. Fifaninanana karakarain-dRazanamasy Lala, tale teknika nasionaly eo anivon’ny Federasionina malagasy (FMT). Fihaonana maromaro hanazarana ireo ankizy sy hahazoany traikefa amin’ny alalan’ny «tournoi» ka efa miditra amin’ny dingana fahefatra ny tamin’ity. “Open” na misokatra ny lalao. Nahatratra 44 ireo nisoratra anarana avy amin’ny ligin’i Diana sy Atsinanana ary Analamanga. Ankoatra izay, nisy teratany vahiny nifaninana. Ezahina hatao mitovitovy amin’ny «circuit international» ny fihaonana. Anisan’ izany, ny “coaching” izay efa neken’ny Federasionina iraisam-pirenena (ITF) sy ny fikajiana ny isa arakaraka ny dingana vitan’ny ankizy amin’ny fifaninanana.
Nambaran-dRazanamasy Lala fa mivoatra ny fahaizan’ireo ankizy tsirairay avy, na mbola misy aza ny lesoka kely toy ny tanjaka sy ny teknika, izay azo harenina tsara. Mampiavaka ireo ankizy ny fananany toe-tsaina miezaka ary maneho ny tena fahaizany rehefa eny ambony kianja. Anisan’izany, Rakotovao Précieuse avy any Toamasina niatrika ny famaranana tamin’ny U12 sy U14. Na resy aza izy, afa-po tamin’ny vokatra ary mbola vonona ny hanatsara ny zava-bitany. Dingana manaraka amin’ity “circuit” ity ny amin’ny fialantsasatra lehibe sy ny mialoha ny taom-pianarana vaovao.
Torcelin
Ireo voka-dalao rehetra :
U 10 vehivavy : Fandjambolatina Fenoherintsoa
U 10 lehilahy : Razafindrazaka Ambinina
U12 vehivavy : Fandjambolatina Fenoherintsoa
U 12 lehilahy : Furman Ismael
U14 vehivavy : Annika Gunawardena
U14 lehilahy : Razafindraka Ny Avo