Efa-dahy mpangalatra moto tra-tehaky ny polisim-pirenena eo anivon’ny CSP 5 Mahamasina, ny alahady 27 avrily teo. Moto roa sarona teny amin’izy ireo.
Mpamaky trano voasambotry ny polisy teo am-pibatana vilany tetsy Ivandry, omaly maraina. Tsy afa-nandositra io mpandroba io ka nentina avy hatrany teny anivon’ny biraon’ny polisy.
Ramatoa, 53 taona, nanatsatoka antsy tamin’ny fen-jazalahy 3 taona tao Nosy Be Hell ville, ny sabotsy 26 avrily teo. Fifamaliana teo amin’io ramatoa io sy ny renin’ ilay zaza no nahatonga io tsatok’antsy io. Voasambotra ilay nahavanon-doza.