Tsipy kanetibe – «Tournoi des champions» : Hahazo 4 tapitrisa Ariary izay voalohany

Hianoka fetiben’ny tsipy kanetibe indray ny mpankafy amin’ny volana mey ho avy izao. Ankoatra ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, hisy koa ny « Tournoi des champions », hahazoana lelavola an-tapitrisany sy amboara. Hifaninana amin’izany avokoa ireo mpilalao rehetra.

Hotanterahina ny sabotsy 24 sy ny alahady 25 mey ho avy izao, eny amin’ny kianja Para Ivato ny «Tournoi des champions», taranja tsipy kanetibe. Fifa­ninanana, karakarain’ny Federation sport boule de Madagascar (FSBM) sy ny Amical des champions du monde en action (ACMA). Ho goavana ny fihaonana satria hifanandrina eo avokoa izany ireo andrarezina lahy sy vavy amin’ity taranja mampalaza ny Malagasy ity.
Hahazo lelavola 4 tapitrisa Ariary miampy amboara sy loka samihafa ny ho mpandresy eo amin’ny sokajy « sénior » olon-telo miaraka lehilahy. 1 tapitrisa Ar sy medaly ny an’ny faharoa. 500 000 Ar miaraka amin’ny medaly ny an’ny fahatelo sy fahefatra.
Fifaninanana ho an’olon-droa kosa ny an’ny «sénior» vehivavy ka hahazo 500 000 Ar ny ho tompondaka raha 200 000 Ar ny faharoa ary 100 000 Ar ny fahatelo. Toy izany koa ny an’ny zokiny, ka ny ho mpandresy amin’io hotolorana 400 000 Ar miampy amboara raha 200 000 Ar ny faharoa ary 100 000 Ar ny an’ny fahatelo sy fahefatra.
Lalao ho an’olon-telo miaraka ny an’ny sokajy zandriny ka «tablettes» sy amboara ny an’ireo voalohany. Finday avy amin’ny mpanohana sy amboara ny an’ny faharoa ary fanomezana ho an’ny fahatelo sy fahefatra.
Ankoatra izay, hisy koa ny fifaninanana mitifitra «tir de précision», ho an’ny sokajy lehilahy sy vehivavy ary ny tanora ka kanetibe sy amboara no ho azon’izay mpandresy eo amin’ny lehilahy raha fanomezana eo amin’ny vehivavy sy ny zandriny.
Mandra-piandry izany, hiatrika ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, tanterahina any Antsirabe manomboka ny zoma 2 ka hatramin’ny alahady 4 mey, izao ireo mpilalao rehetra.

Tompondaka

Partager sur: