Efa fantatra ny daty sy ny kianja hanaovana ny lalaon’ny Barea de Madagascar sy ny Leopard an’ny RD Congo, araka ny fanambaran’ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred. Hatao ny alahady 8 jona, amin’ny 4 ora hariva (ora any France), ao
amin’ny kianja Omnisport de la Source Orléans ny fifanandrinan’ny roa tonta, raha tsy misy ny fiovana. Ankoatra izay, tsy mbola fantatra ilay firenena faharoa hifanandrina amin’i Madagasikara, saingy raha ny resaka mandeha, i Congo Brazzaville sy Guinee Bissau, no efa nanaovana fangatahana.
Tsiahivina fa tafiditra amin’ny « Fenêtre Fifa », ary fe-potoana iray hahafahan’ny firenena tsirairay manomana ny fifaninanana iraisam-pirenena, ny lalao hatao amin’ny volana jona. Raha ho an’ny Barea, natao hanomanana ny lalao fifanintsanana « Mondial 2026 » izany. Mbola tsara toerana ny Barea amin’izany, eo amin’ny laharana fahatelo no misy azy ireo ao amin’ny vondrona « I », ary manana isa 10.
Ampahafantarina ihany fa zava-dehibe ny lalao ara-pirahalahiana tahaka izao, hisy ny filaharan’ny Fifa vaovao hivoaka indray aorian’io fitsapana io. Tsara ny mampahatsiahy fa eo amin’ny faha-115 amin’ny filaharan’ny Fifa ny Barea de Madagascar amin’izao fotoana izao.
Fitia Randria