Notontosaina teny amin’ny Stade Barea Mahamasina, ny herinandro lasa teo, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, ho an’ny lalao E-sport. Mpilalao 600 mahery no nandray anjara nandritra izany. Fifaninanana nokarakarain’ny Federasionina malagasin’ny E-sport. Zava-dehibe izao fifaninanana izao satria dingana iray manamarika ny fankatoavana ny taranja eto Madagasikara, araka ny nambaran’ny filohany, Randrianasoloniaiko Michael. Eo ihany koa ny maha fifaninanana manan-danja azy satria nitiliana izay hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika sy ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, eo amin’ity taranja ity. Lalao maro no nifaninanana, anisany ny Tekken, Mortal Kombat, Counter-Strike, Mobile Legends, Bang Bang (MLBB), Dota 2 sy ny League of Legends.
« Manambatra ireo fikambanana rehetra no anisan’ny iraka hampanaovina anay”, hoy ny filohan’ny federasionina ary nanamafy izy fa efa mifandray amin’ny AISF, izay mpikarakara hetsika ara-panatanjahantena goavana maneran-tany. Ankoatra izay, mifanampy amin’izy ireo ny Kaomity olympika malagasy amin’ny fahafahana mandray anjara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena, toy ny MLBB, fa indrindra ny hampidirana ny E-Sport ho anisan’ny taranja hifaninanana amin’ny lalao Olympika.
Marihina fa mpilalao 15 mendrika tamin’ity fifaninanam-pirenena ity notsongaina hiatrika ireo fifaninanana iraisam-pirenena ho avy.
Mi.Raz