INDRAY MIJERY

Miisa 19 ireo mpitarika English Club ao Fort Dauphin manaraka fiofanana iarahana amin’ny amerikanina. Miompana amin’ny teknika fanentanana sy fampandehanana fikambanana ny izany. Ampiasaina ireo fitaovam-pampianarana sy raki-pahalalana novolavolaina. Tanjona ny hananganana vondrona matanjaka, hanomezana tosika ireo mpitarika.
Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra tamin’ity herinandro ity ny famaritana ny tahan’ny karaman’ireo asa momba ny fikirakirana ireo fanadinam-panjakana CEPE sy fidirana kilasy fahenina. Tohin’ny fanovana efa natao izany, izay fanatsarana hampidinana ny fandaniana hita amin’ny fikarakarana fanadinana.
Misokatra ho an’ny rehetra ny tobin’ny mpamonjy voina ao Tsaralalàna, anio tontolo andro. Nahafahana miaina traikefa ao anatin’ny tontolon’ireo mpamono afo sy nahazo fahalalana sy fialamboly ary tolotra maimaimpoana izany, omaly. Ilaina ny mitondra ny ankizy sy ny tanora ahafantatra sy hanome hevitra azy ireo amin’ny fiainany hoavy.
Misy rindrin-drahona manatona ny morontsiraka atsimon’ny Nosy, ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika. Antenaina hitondra orana any atsimo izany, androany hariva. Mila mivonona amin’izany ny mponina. Hiitatra any Atsimo Atsinanana izany orana izany ary heverina ho tonga eto afovoan-tany, ny alahady alina.

Partager sur: