Kids Soccer Atsimondrano : Hiaka-tsehatra ny kilonga U13 sy U15

Mitodika any amin’ny kilonga mpianatra ny fifaninanana karakarain’ny Atsimondrano Action, eo amin’ny taranja baolina kitra. Hiakatra kianja manomboka ny volana jona ny sokajy U13 sy U15. Vola 5 tapitrisa Ar no hozaraina ho an’ireo mpandresy.

Taorian’ny “Atsimondrano Champions League (ACL)”, taranja baolina kitra, hiitatra any amin’ny sokajy U13 sy U15 indray ny fifaninanana karakarain’ny Atsimondrano action. Io no fampahafantarana nataon’izy ireo ho an’ny mpanao gazety, teny Mahamasina, omaly. “Kids Soccer Atsimondrano School Contest”, natokana ho an’ireo mpianatra amin’ny sekoly miankina na tsy mian­kina amin’ny fanjakana, ao anatin’ny distrikan’Atsi­mon­drano izy ity.
Mifaninana amin’izany ireo ao amin’ny kilasy T6 – T9. Vy nahitana sy angady nananana izany ny solombavambahoakan’ny distrika Atsimondrano, Andry Ratsivahiny. Nilazany fa homena sehatra ny ankizy izay fototra hananana mpilalao mahay ao anaty klioba sy ekipam-pirenena. Porofon’ izany ny klioba Ste Anne, miatrika ny “Pureplay Football League (PFL)” amin’izao fo­toana. Nivoaka tamin’ny fifaninanana “Atsimondrano Cham­pions League”. Sekoly ihany fa tsy misy sekolin’ny baolina kitra na ekipam-pokontany hifaninana. 3 Alina Ar ny fandraisana anjara ka ireo sekoly 100 misoratra anarana voalohany no handray anjara amin’ izany. Zaraina faritra roa, A sy B, ireo mpandray anjara. Baolina kitra ho an’olona 9 izy ity, ary hanomboka ny volana jona. Ho zaraina 5 tapitrisa Ar ireo ekipa 3 voalohany isan-tso­kajy. Hotolorana solosaina ny kaominina, misy ny sekoly mpandresy. Hatao eny amin’ ny Kianja “synthètique” Ando­haranofotsy sy Itaosy ny lalao rehetra.
Ankoatra izay, fifanina­nana vaovao ny “Ndao hifa­nome tanana hanangana sekoly”. Miantoka ny biriky sy ny vato ary ny karaman’ny mpiasa ireo ray aman-drenin’ ny mpianatra fa ny vy sy ny simenitra kosa hiandraiketan’ ny solombavambahoaka, amin’ ny alalan’ny Famatsiambola ho an’ny fampiroboroboana ny distrika (Ciad), izay volam-panjakana.

Torcelin

Partager sur: