SOMBIM-BAOVAO

Hiditra amin’ny fampivondronana fahatelo ny Malagasy atleta, mpikatroka ny taranja karate, hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, hatao any Nigéria, ny 23 hatramin’ny 27 jolay izao. Ny 8 hatramin’ny 11 mey, eny amin’ny ANS Ampefiloha, no hanaovana ity fampivondronana ity.

Hotanterahina any La Réunion, anio, ny fifaninanana katrokady “Fight Night”, taranja kick boxing. Tsy diso anjara amin’izany i Madagasikara fa manana solontena 3 lahy, ahitana an’i Mickael (-75 kg), i Tojoniaina
(-60 kg) ary i Fabrice (-67 kg). Ny klioban’ny Lion Force no mitondra ireto Malagasy mpikatroka ireto, izay efa niainga ny alarobia lasa teo.

Notontosaina nanomboka omaly, tany Antsi­rabe, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja tsipy kanetibe lalaovin’olona telo. Araka ny vaovao
voaray, hisy ny sokajy ho an’ireo zokiny, “vétérans”, sy “séniors”, lahy sy vavy, ary ny zandriny. Hifarana rahampitso ihany ity fifanintsanana ity.

Notontosaina ny alakamisy lasa teo ny lalao manasa-dalana mandroson’ny « Europa Ligue 2025 ». Tsara toerana hiakatra any amin’ny dingan’ny famara­nana ny Manchester United, anglisy, izay nahazo fandresena, 3 no ho 0, teo anatrehan’ny Athletic Bilbao, espaniola. Tsiahivina fa ity fihaonana ity dia natao tany Espagne.

Partager sur: