Ny hevitra hono tera-bary ka samy mamoaka ny ao am-pony. Na izany aza, misy ireo tsy manan-kevitra fa manaraka efa fotsiny. Manao rebik’ondry ê! Tsy amin’ny fiainan’ny olona andavanandro ihany no ahitana sy handrenesana izany fa amin’ny sehatry ny fanatanjahantena ihany koa. Azo antoka fa maro aminareo mpamaky no tsy mahazo ny teny hoe rebik’ondry. Ilazana toetr’olona tsy manana ny heviny manokana fa manaraka izay lazain’ny eo alohany fotsiny.
Mahavariana nefa fa matetika ireny olona manao rebik’ondry ireny no mahazo andraikitra goavana, ao anatin’ny federasionina na any amin’ny ligy, na ao amin’ny ekipam-pirenena. Toa tsy mahagaga izany satria ny Malagasy mpanao be manaiky. Manamarina izany ny oha-pitenenana any amin’ny faritra manao hoe : «Manaiky tsy mahatapa-doha». Tsy gaga amin’izany ny rehetra satria matahotra ny hoesorina amin’ilay toerany ka aleo manao rebik’ondry. Tsy mahatapa-kevitra fa mitranga mihemotra toy ny lelon-jaza.
«Normal» hoy ny tenim-bazaha, raha tsy mandroso ny ekipa na federasionina iray satria ny mpitarika mihitsy no tsy manan-danja. Toy ny ganagana ka ny mpitarika indray no kely feo. Manao rebik’ondry ê! Vokany, toy ny saribakoly fotsiny sisa ka izay asain’ny manan-tsaina sy ny manan-tsandry ary ny manam-bola lazaina no tenenina na tsy nahim-po aza. Mamerin-dresaka fotsiny fa tsy misy heviny akory. Tsy mahalala izay hahavoa azy satria manao rebik’ondry.
Mahonena fa na tsara aza ny heviny, aleony mangina fa sao tsy mahafaly ny mpitondra ka mety hahavery seza. Aleony manao toy ny dian-ganagana ka izay hiroboan’ny eo aloha no ifatraran’ny ao aoriana. Mahasahia miova sy manova ka aza manao rebik’ondry ê!
Tompondaka




