Fambolena sy fiompiana: Misy fiantraikany lehibe ny fiovaovan’ny toetr’andro

Misy fiantraikany eo amin’ny fambolena sy fiompiana ataon’ny tantsaha ny fiovaovan’ny toetr’andro. Mam­pihena ny vokatra miakatra amin’ny ankapobeny izany, raha ny fanadihadiana natao tamin’ ireo tantsaha.

Mpamboly sy mpiompy ny ankamaroan’ny Ma­lagasy. Misedra olana amin’ny sehatry ny asa anefa ny tantsaha, raha nanaovana fanadihadiana. Anisan’ny olana eo amin’izy ireo ny tsy fandriampahalemana. Toy ny hala-boty, ny fanambakana ataon’ireo mpanangom-bokatra amin’ny vidiny hitiavany azy vokatra ny tsindry mahazo azy ireo. Eo koa ny fiakaram-bidin’ny masomboly sy ny zezi-bazaha.
Mpamboly sy mpiompy ny ankabeazan’ny mponina, in­drindra ny eny ambanivohitra. Anisan’ny nanaovana fanadihadiana manokana ny any amin’ny fokontany Talata An­dramanonga, kaominina am­banivohitra Ambohimanam­bola. « Tany nolovaina tamin’ ireo ray aman-dreny no volenay na antsaha na an-tanimbary”, hoy Randrianjafy Ray­mond, tantsaha. Tsy mba niasa tamin’ny orinasa fa nifofotra tamin’ny asa an-tsaha vao nijanona tamin’ny fianarana. “Hanakaramana olona ny miasa tany fa efa tsy vita in­tsony noho ny taona efa mandroso. Manara-maso sy ma­nampy kely izay mba vita sisa no ataoko”, hoy izy.

Mandalo fahasahiranana

Mandalo fahasahiranana ny fomba fambolena sy fiompiana ankehitriny. Vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro, mi­hemotra avokoa ny fandaharam-potoam-pambolena noho ny fahataran’ny fiavian’ny orana. Tsy afaka namafy ketsa, ohatra, noho ny fahamainan’ ny tany. Nony nanetsa indray, zara fa nisy rano ny teny an-tanimbary. Ankehitriny, lasa maivam-boa ny vary. Tsy ampy mihitsy ny rano ka tsy nahazo aina ny vary nandritra ny fiterahany. Ankoatra izay, tsy ma­hasahana ny mason-karena rehetra amin’ny fambolena sy fiompiana, ny vidin’ny fanafody sy ny masomboly ary ny zezika, ny vidim-bokatra. Raha nahavita nividy tamin’ny gony taloha. Ankehitriny, vidiana amin’ny kilao sisa ka isaky ny hanisy fanafody na hamboly vao mividy izany. Anisan’ny olana sedrain’izy ireo koa ny fiaka­ran’ny vidin’ny masomboly sy ny zezi-bazaha. Nambaran’izy ireo fa tsy maharaka amin’ny fambolena ny zezi-pahitra. Ampifandimbiasana ny fomba fambolena an-tanimboly sy ny voly avotra rehefa amin’ny ririnina. Tsy mifanaraka amin’ny vokatra miakatra ny vola lany. Tombony ho an’ny tantsaha sisa ny kibo voky fa tsy mahaleo ny sarany ny vidin’ny vo­katra rehefa miakatra.

Mihena ny vokatra miakatra eny an-tsaha fa manom­boka mihangazana ny tany. «Tao anatin’ny dimy taona farany, zara raha misy rano iny tatatra manondraka ny tanimbary iny rehefa amin’ny fotoam-pambolena. Rehefa tonga indray ny orana, dibo-drano avokoa ny tanimbary, soa fa nalaky nidina, tao anatin’ny fotoana fohy, ka tsy nisy nampanahy ny fahasimban’ny vary», hoy hatrany Randrian­jafy Raymond.
Mirongatra ny halatra eny an-tsaha sy an-tanimbary. “Mifampizara amin’ny mpangalatra amin’ny vokatra miakatra fa tsy natao hahakivy izany. Tsy afaka hajanona in­tsony ity fambolena sy fiom­piana ity satria tsy afaka hanao zavatra hafa intsony amin’izao taona izao noho ny fahante­rana”, hoy izy nanamafy.

Miova eny an-dalana ny lanjan’ny vokatra

Nisy fiantraikany tamin’ny fiainan’ny tantsaha ny tsy fisian’ ny lamasinina mpitondra olona intsony. Nitondra ny vokatra miakatra tany an-drenivohitra mihitsy ny tantsaha tamin’izany fotoana izany. Ankehitriny, manararaotra ny mpijirika sy ny mpanangom-bokatra amin’ny vidiny izay itiavany azy. Noho ny haratsian’ny lalana hitondrana ny vokatra, raha ny fanazavan’ireo tantsaha hatrany. Samy mandray ny lanjan’ny en­tana ny mpamongady sy ny tantsaha mandritra ny fandanjana entana. Afaka herinandro vao raisina ny vola vidim-bokatra fa tsy raisina eo no ho eo. Tena misy olana matetika rehefa amin’ ny fotoam-pahavaratra, milaza ny mpanangom-bokatra fa tratran’ny fihotsahan’ny tany ny kamiao nitondra entana teny amin’ny lalam-pirenena ka betsaka ny entana simba. Nisy fotoana efa ny antsasaky ny vola sisa no noraisina.
Tsy fantatra na marina na tsia ny fomba fandanjana ny vokatra amin’ny mizana ampiasain’izy ireny. Hahenan’ny mpanangom-bokatra ny lanjan’ny entana satria mety hisy fahasimbany eny an-dalana ny vokatra.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: